Hiverenana ny fifanarahan’ny Jirama sy ny orinasa Enelec satria tsy araka ny isan’ny milina nifanarahana no tena miasa, nefa andoavam-bola foana. Napetraka koa ny jiro manazava ny arabe sy ny elakela-trano any Toamasina, sy ny fampidiran-jiro ho an’ny sahirana. Nitsidika ny orinasa Enelec, mamokatra herinaratra avy amin’ ny solika fuel […]
Taratra
Vehivavy fahiny tokoa izany !
Mijery tahirin-kevitra sy tahirin-tsary tany amin’ny taona 1958… Mahita ireo vehivavy malagasy, « mihaja », « manaja » ! Mihaja satria tsy mitsipaka ny kolontsaina sy ny soatoavina ary fahendrena navelan’ireo razany. Fitafiana maotina sady manana ny heviny avokoa ny nitondrana azy fa tsy noentinkentim-poana. Manaja na manome haja ny tena manao azy sy ny […]
ANAC Analamanga : hisy ny fiofanana mamoron-kira
Hotontosaina manomboka ny alarobia 8 marsa 2023, eny amin’ny Anac sampana Analamanga, Tranombokim-pirenena, Anosy, ny fiofanana momba ny fandalinana sy fanoratana hira manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, hetsika ho an’ny mpampianatra sy mpianatra eo anivon’ny Anac. Ny Akademiam-pirenen’ny zavakanto sy ny kolontsaina, sampana Analamanga no mikarakara ny hetsika, eo ambany fiahian’ny […]
Taorian’ireo « cabarets »… : hisedra seho goavana amin’izay i Lalie
Nanjakan’ny fihetseham-po tanteraka ny fiarahana voalohany nanamarika ny fiverenan’i Lalie an-tsehatra. Toraka izany ihany koa ny faharoa, izay notontosaina ny zoma lasa teo, tetsy amin’ny Pietra Hôtel. Vaovao lehibe nambaran’i Lalie ny hisian’ny seho goavana amin’izay, ato ho ato. Efa fantatra fa hotontosaina ao amin’ny CCEsca Antanimena io, manomboka amin’ny […]
IKM Antsahavola: tanjona ny fampahafantarana ny kolontsaina isam-paritra
Harena ho antsika ny fahasamihafana. Voakasik’izany koa ny lafiny kolontsaina. Maro amin’ ny Malagasy anefa no tsy mahalala ny kolontsain’ny faritra hafa. Izany indrindra no nanaovana ny hetsika “Songadina”. Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola. Misy ny “Songadina”, hetsika hampahafantarana ny kolontsaina mampiavaka faritany iray eto […]





