Taratra

Zava-mahadomelina : lasibatra ireo tanora eto an-dRenivohitra

Mirongatra tanteraka ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eto amintsika amin’ izao fotoana. Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina tetsy Antsonjombe, ny faran’ny herinandro teo, fa mila hanaovana tetikady ma­nokana izany. “Betsaka ireo sahirana sy maty vokatr’ io zava-mahadomelina mahery vaika io ankehitriny”, hoy ny filoha. Anisan’ny ahitana ny fiparitahan’ny rongony ma­hery vaika toy […]

Marary ilay firenena!

Tafahoatra ny zava-misy ankehitriny, amin’ny fitiavan-tseza miteraka lonilony amin’ny samy mpiara-dia amin’ny filohan’ny Repoblika. Tsy misy sehatra, tsy mifidy fotoana, tsy mifidy toerana, fa rehefa misy hirika hidirana sy handrehetana ny afo dia injao mailaka ny fikopakopahana azy hidedaka. Inona indray izao ny tanjona amin’io resaka ambasadaoro any Paris io? […]

Fitiavana tsy raikitra : rangahy nananton-tena avy namono ny sakaizany

Noleran’ny lehilahy iray antsy ny vehivavy sakaizany taloha. Maty nananton-tena izy avy eo. Voalaza fa antony namonoany tena ny tahotra higadra. Efa ela no nisaraka ireto mpifankatia izay niara-maty, vokatry ny sotasotan’ilay rangahy. Raha ny angom-baovao voaray tamin’ ny olona mahafantatra azy roa, mpifankatia nandritra ny telo taona izy ireo. […]

Efa nokarohina hatry ny ela : roa lahy nangalatr’ omby voasambotra

Tra-tehaky ny fokonolona sy ny zandary tao Soavina­rivo Sahanivotry, ny roa lahy nangalatr’omby ny alahady teo. Nangalarin’izy roa ireto tany Fandiorano, Miaranava­ratra Fandriana, ny omby. Nisy nahatsikaritra ny fandalovan’izy roa lahy teo amin’ ny fokontany Soavinarivo. Nahita ny fihetsika hafahafa, nampandre avy hatrany ny zandary miasa ao an-toerana ny tsara-sitrapo. […]

Lozam-pifamoivoizana RN7 : niampy iray ireo namoy ny ainy

Niampy iray indray ny namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao amin’ny RN7, teo An­dohasahamarina, kaominina Talatan’Ampano, distrikan’i Vohibato,ny sabotsy tolakandro teo. Taorian’ny fandidiana loha, natao tamin’ny tanora iray, anisan’ireo tao anatin’ny fiara nivadika, tsy tana ny ainy ny alahady maraina teo. Tanora mpilalao kitra sady skoto anatin’ny fiangonana […]