Tena mihanoka anaty fotoam-pahavaratra tanteraka ny eto Madagasikara, ankehitriny. Mijohy ny orana manerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Andaniny, ao ny sahirana sahady amin’ny ranobe. Mitaintaina amin’ny trano fonenana sao ho lasan’ny rano na mirodana. Tsy ferana ny miara-matory amin’ny maloto izay hatsinkafon’ny rano satria aloan’ny lakandrano tsentsin’ny fako. […]
Taratra
Akon’ny Krismasy: nahatratra 286 ireo voasambotry ny polisy
Mirongatra hatrany ny tsy fandriampahalemana. Mitotaly 286 ireo olona voasambotry ny polisim-pirenena manerana ny Nosy, ny 24 sy 25 desambra teo. Tao ny fanafihana mitam-basy iray sy ny fanafihana mitam-piadina roa. Mitotaly 15 ireo vaky trano niseho saingy voasoroka ny telo tamin’izany. Miisa 32 ireo halatra madinika raha 14 isa […]
Ranomafana: lehilahy maty vohitsaky ny fiara
Maty teo noho eo ny mpandeha an-tongotra iray voahosin’ny fiara tao Ranomafana, afakomaly tamin’ny 7 ora hariva. Nitondra mpizahatany enina, tsy nanampo na inona na inona ny mpamily. Araka ny nambaran’ny olona teo amin’ny manodidina, efa mamo hatramin’ny atoandro ilay lehilahy voahitsaka. Tsy niala teo izy nandritra ny tontolo […]
Etrotroka – Faranfangana: dahalo roa raindahiny maty voatifitra
Rotiky ny balan’ny zandary ireo dahalo roa lahy anisan’ny ikoizana amin’ny halatra omby tao Etrotroka, distrikan’i Farafangana, ny 24 desambra teo. Taorian’ny nahalasibatra matetika ny ombin’i Aban’i Mirihina, manana omby maro ao Mahatama anatin’ny fokontany Tanambao. Araka ny angom-baovao azon’ny zandary, tompon’antoka tamin’ny fangalarana ireo omby ireo ny dahalo roa […]
Rocade d’Iarivo Tratra ireo jiolahy nanendaka olona namonjy sasakalina
Niharan’ny fanendahana nataon’ny jiolahy teny amin’ny Rocade ny olona roa avy namonjy sasakalina teny amin’ny Père Pedro… Noraisim-potsiny! Olona roa avy namonjy sasakalina tao amin’ny Père Pedro hamonjy fodiana no nosakanan’ny jiolahy, teo amin’ny “Rocade d’Iarivo”, ny asabotsy teo. Jiolahy efatra no tompon’antoka tamin’izany, raha ny tatitra voaray avy amin’ny […]




