Efa mamaramparana ny fifaninanana amin’izao ny eo anivon’ny seksionina Antananarivo Renivohitra, taranja basikety. Ny faran’ity herinandro ity no hanatanterahina ny famaranana fihodinana voalohany, ho an’ny sokajy latsaky ny 14 taona, lahy sy vavy. Raha ny fandaharam-potoana, ny ekipan’ny AST sy NBE no hifanandrina eo amin’izay famaranana izay, eo amin’ny vehivavy, […]
Taratra
“Pureplay Football League”; Nomontsanin’ny Disciples FC 5 no ho 1 ny Antimo Record
Voahaja ny lojika eo amin’ny andro faha-13 hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Lavon’ny Disciples FC Vakinankaratra ny Antimo Record. Mbola mitarika ao amin’ny kaonferansy atsimo, araka izany, ny Disciples FC. Nitohy omaly alarobia, tany amin’ny Kianja Velodrome Antsirabe, ny andro faha-13 amin’ny fifanintsanana […]
VAOVAO TAMBATRA
Tafakatra 6 500 indray ny kilaon’ny tongolobe eny amin’ny tsenan’Andravoahangy. Nambaran’ireo mpivarotra fa ao anatin’ny vanim-potoana tsy fisian’ny vokatra izao. Avy any Ambatomanoina sy Mampikony ary Morondava no tena mamatsy an’Antananarivo. Efa nahatratra 8 000 Ar ny kilaon’ny tonglobe tamin’ny taona 2025 amin’ny vanim-potoana toy izao. Tafakatra 3 000 Ar ihany koa […]
Tetikasa Decim, Toamasina II – StarTimes: Nanolotra jiro avy amin’ny masoandro 1 200
Napetraka ny tetikasa Decim, famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, asa vonjy taitra, hanampiana ireo traboina, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani tany Toamasina farany teo. Miahy azy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) sy ny ao amin’ny Fampiroboroboana ny niomerika, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra (MNDPT). Nambaran’ny talen’ny Varotra StarTimes, […]
Fampandrosoana: Vonona hanohana i Frantsa
Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy Frantsa ny dinika nifanaovan’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP), Raharimanjato Ny Riana Nampoina, sy ny masoivoho frantsay miasa eto Madagasikara, Arnaud Guillois, omaly. Voaresaka manokana tamin’izany ireo tetikasa goavana toy […]





