Taratra

Fahaleovantenan’i Etazonia : Nahaliana tanora maro ny « Freedom 250 »

Nanao fizarana momba ny tantaran’i Etazonia sy ny maodelin’ny demokrasia amerikanina tetsy amin’ny ENS Am­pefiloha ny mpanolotsaina lefitra misahana ny serasera sy ny kolontsaina ao amin’ny masoivoho Amerikanina, i Alex Burns. Fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny ENS amin’ny fanamafisana ny fampianarana ny teny anglisy sy ny fifanakalozana ara-kolontsaina izao hetsika izao. […]

ESPA : Afaka miasa amin’ny sehatra maro ny injeniera

Iray amin’ny sampana 16 eo anivon’ny sekoly ambony politeknika Antananarivo, eny Vontovorona, ny Ingenierie minière, izay mamoaka injeniera mahafehy ny fitrandrahana, nanomboka ny taona 1976. Miavaka ny injeniera nahavita fianarana te­ny amin’ny sekoly am­bony politeknika satria afaka misehatra amin’ny lafin’asa maro aorian’ny fahazoana diplaoma. Tafiditra ao ny fitrandrahana harena an-kibon’ny […]

Asa tanana sy kolontsaina: 40 taona nanamboarana zavamaneno i Hery Valiha

Teo amin’ny fahafolo taonany, fony teny am-piandrasan’omby, no efa nahay nandrafitra zavamaneno toy ny valiha sy kabosy vita amin’ny tanimanga i Hery Valiha. Ankehi­triny, 40 taona nanamboarana izany izy. Mampiavaka ny valiha arafiny ny fisian’ny asa fikarohana mitohy hita sy heno ao aminy (valiha). Na­tambany, ohatra, ny kesika sy ny […]

Babai Lugu sy Alala Katsakatsa : Hizara « Nofy adala » etsy Antsahamanitra

Mozika mikoriana avy any anaty, manatona ny fototra aty an-tanindrazana. Nofy hotanterahina miaraka amin’i Bolo sy ireo mpankafy an’i Babai Lugu sy ny tariny. «Faly be foana mandalo an-tanindrazana». Naverimberin’i Babai Lugu io, omaly, nandritra ny fi­haonany tamin’ny mpanao ga­zety tetsy amin’ny Yas Anala­kely. Efa andro ma­romaro no eto ity […]

Course de côte : Hatao eny Mahitsy ny dingana voalohany

Hotanterahina ny alahady ho avy izao, eny Mahitsy, ny dingana voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena amin’ny «course de côte», andiany fahatelo, iarahana amin’ny Liquimoly, amin’ny taranja mekanika. Fifaninanana karakarain’ny klioba MSA, eo ambany fiahian’ny Federation sport-automobile de Mada­gascar (FSAM). Tanterahina amin’ny fiakarana miainga eo Mahitsy mihazo an’Antanetibe Mahazaza izany. Mirefy 2,3 km […]