Taratra

Toamasina : Namondrona ankolafin-kery politika ny antoko TIM

Niavaka raha izay no azo ilazana ny fifampiarahabana noho ny asaramanitra, nahatratra ny taona vaovao 2026, teo anivon’ny antoko Tiako i Madagasikara. Notarihin’ny filoha mpanorina azy, Ravalo­manana Marc, filoha teo aloha sy ireo pikambana marobe ny asabotsy 17 janoary teo izany, tetsy amin’ny Magro Tanam­bao fahadimy. Nisongadina noho ny fahitana […]

Ny tena ihany no antony

  Aiza ho aiza ny fiainam-bahoaka amin’izao? Fitakiana zo fototra no mahatonga ny fanovana fitondrana. Lehibe sy voalohany ary maika ny amin’ny famatsian-jiro sy rano. Mby aiza? Efa mba misy fihatsarany ahay ny famatsian-jiro, na tsy mbola mahafa-po aza. Tsy hita be ihany kosa ny amin’ny famatsian-drano: toa arakaraka ny […]

Diplaomasia : Niditra anatin’ny BRICS i Madagasikara

Nitatitra ny dian’izy ireo tany Afrika Atsimo, ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny sabotsy 17 janoary 2026 lasa teo. Voaresaka tao anatin’izany ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fihaonana an-tampon’ny Brics. “Fitsidihana arakasa no natao tany, nisongadina tamin’izany ny fihaonany tamin’ny filohan’i Afrika Atsimo, Ramaphosa Cyril “, hoy ny filohan’ny fanavoazana […]

TSELATRA

Vehivavy hita faty natsingevan’ny rano teny amin’ny Lavage Anosipatrana, afakomaly. Tsy nisy akanjo intsony io vehivavy io saingy mbola teny aminy ny kirarony. Jiolahy roa lahy tratra namaky trano tao Mandrosoa Ivato, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 18 janoary teo. Toerana fikarakarana bika aman’endrika io lasibatra io ary efa […]

Nisotro zava-mahamamo : Mpamily iray namoy ny ainy latsaka tao anaty rano

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina in­dray tetsy amin’ny kaominina ambanivohitra Sabotsy Na­mehana, distrikan’An­tanana­rivo Avaradrano, afakomaly, tamin’ny 8 ora alina. Niseho teo amin’ny lalana pavé Tsa­rasaotra/Antsofinondry hivoaka ny lalam-pirenena fahatelo, ivelan’ny tanàna, ny loza. Fiara Golf Type 1 iray miloko fotsy avy any Ivato hihazo an’i Sabotsy Namehana no niharan-doza. Nandeha mafy, […]