Taratra

Fanavaozana zotram-pifidianana : Hanao fikaonandoham-pirenena ny Ceni

Hanatanteraka fikaonandoham-pirenena ihany koa ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny Ceni. Tanjona ny ahalalan’ny vahoaka ny andraikitra sy ny fikarakarana eto Madagasikara. “Ny andraikitra sahanin’ny Ceni amin’izao, eo ny fampandehananany raharaha andavanandro amin’ny maha rafi-panjakana araka ny lalàmpanore­nana azy”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Vaomieram-pi­renena mahaleo tena misa­hana […]

TSELATRA

Fahamaizan’ny biraon’ny polisy tany amin’ny kaomisaria Vohemar tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampondra, ny herinandro lasa teo. Tonga nijery ny zava-misy tany an-toerana ny polisim-pirenena, iraky ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, omaly. Tsy maintsy hisy ny fanadihadiana mikasika iny tranga iny, mba hahafantarana ny tomponandraikitra. Iarahan’ny polisy sy ny zandary avy any Sambava […]

Trano dimy main’ny afo : Fianakaviana miisa 12 tsy manan-kialofana

Nitrangana hain-trano tao Ambalabe, fokontany Andra­nomainty, disitrikan’i Mana­kara, omaly, tokony ho tamin’ny 02 ora tolakandro. Trano miisa dimy no voakasiky ny firehetana ary may kila forehitra ny trano telo tamin’ireo niaraka tamin’ny entana tao anatiny. Mahatratra 12 ny isan’ny fianakaviana traboina sy tsy manan-kialofana, vokatr’izany. Kely ny niantombohan’ny afo saingy […]

Ambanja : Mpikatroka Moraingy namoy ny ainy

Namoy ny ainy vokatry ny fijanonan’ny fitempon’ny fo tampoka ny mpikatroka taranja Morengy tao Ambanja, afakomaly tolakandro. Nanatontosa fifaninanana tao amin’ny kianja Monisipaly tao Sambirano Ambanja ny tomponandraikitry ny federasionina Moraingy, tamin’io faran’ny herinandro io. Nifanandrina nandritra izany i Bruano avy any Antsifitra, kaominina Benavony, distrikan’Ambanja sy Julio “Jobilahibe”, avy […]

Zaza efa-taona voaolana : Mpampianatra misotro ronono saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ny lahiantitra iray teny Antanandrano, kaominina Ankadikely Ilafy, afakomaly. Voalaza fa nanolan-jazavavy efa-taona izy. Nodarodarohan’ny fokonolona, vaky loha, voatery notsaboina ny lehilahy iray efa misotro ronono teny Ambany Atsimo, fokontany Antanandrano, kaominina Ankadikely Ilafy, distrikan’ Avaradrano, afakomaly. Voa­laza fa nanolana zazavavikely vao efa-taona monja izy. Maika nampiakatra […]