Taratra

Analamahitsy Cité : Zaza efatra tratra namaky trano

Niditra teo am-baravarankely, ankizilahy miisa efatra tratra namaky trano tao amin’ny fokontany Analamahitsy CitĂ©, boriborintany fahadimy, ny alarobia 14 janoary teo. Nihidy ilay trano nokasain’ny mpanao ratsy horobaina tamin’io fotoana io. Ny varavarankely izay afaka nakisaka ny hidiny, saingy tsy tafiditry ny olon-dehibe. Nanita-kevitra ireo mpamaky trano ka nasainy nisitrika […]

Loza voajanahary : Roa maty, efatra naratra nilatsahan’ny varatra

Niara-namoy’ny ainy, nilatsaham-potaka ny zatovo mianadahy afakomaly tany Tsiroanomandidy. Naratra ny olona roa hafa. Nisy zaza roa koa main’ny varatra tany Anjozorobe, nieren-doza kosa ny iray trano. Nampihorin-koditra ny tranga nahafatesana an­kizy mirahavavy izay niaraka nilatsaham-potaka tao amin’ny fokontany Adabo Analatsifaka Andrefana, Man­garivotra Tsiroanomandidy, fa­ri­tra Bongolava, afakomaly. Niasa teny an-tsaha […]

Oniversiten’i Madagasikara : Hanomboka ny 13 marsa ny taom-pianarana

Notanterahina tamin’ity herinandro ity, teny Fiadanana sy nampitain-davitra, ny Con­fĂ©rence des prĂ©sidents des universitĂ©s (CPU) voalohany ho an’ity taona ity. Niarahan’ ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy, tamin’ireo filohan’ny oniversite ma­nerana ny Nosy, ireo tale jeneralin’ny IST telo ary ireo filohan’ny oniversitem-paritra izany. […]

Hopitaly Ambohimiandra: Nahazo efitrano vaovao ny sampana mitsabo ny zaza

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny efitrano vaovao hitsaboana ny zazakely etsy amin’ny hopitalin’ny reny sy ny zaza Ambohimiandra. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Miahy Jo­ven­na izay tanterahin’ny Fondation Axian no nahafahana nanao ny fotodrafitrasa. Tanjona ny hanatsarana hatrany ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ary ny handraisana an-tanana azy ireo […]

INDRAY MIJERY

Nanamafy ny fiaraha-miasa efa misy ny Repoblikan’i Korea sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nilaza ny hanome solosaina ho an’ireo oniversite manerana ny Nosy ny Koreanina. Noresahina koa ny hanapariahana ny Information Access Center toy ny efa misy eny amin’ny ESPA Vontovorona. Nisy ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo […]