Fanovana? Na fanavaozana… Anisan’ny takina sy andrasana amin’izany ny hoe fanovana toe-tsaina. Ny tena aloha no mihavao alohan’ny hanaovana fanavaozana. Izay mihavao no afa-kanavao, izay miova no afa-kanova… Mila faharesen-dahatra izay, fahasahiana, fahavononana, faharetana… Tsy iandrasana ny hafa na ifanilihana, tsy anaovana ampitso ampitso lava… Amin’ny fomba ahoana? Eo indrindra […]
Taratra
Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama : “Miroso mamaha ny hetahetam-bahoaka ny fitondrana”
Nihaona tamin’ireo solontenam-panjakana avy amin’ny fileovana manerana an’i Madagasikara teny Mahazoarivo ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, omaly. Nambarany fa mamaha ny hetahetam-bahoaka ny fitondrana. Fampahatsiahivana, fanamafisana… “Miroso amin’ ny famahana ny hetahetan’ny vahoaka ny fitondram-panjakana”. Io no anisan’ny hafatry ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, tamin’ny fihaonana […]
TSELATRA
Voasambotry ny zandary tetsy Ankadikely Ilafy ny alin’ny 14 janoary lasa teo, ny lehilahy iray nangalatra volan’ny orinasa tany amin’ny Banky. Nirahina haka vola 50 tapitrisa Ariary izy ny 13 janoary, nefa tany dia tsy niverina. Nandefa hafatra tamin’ilay mpaniraka izy fa lasan’ny mpitandro filaminana ireo vola satria tsy mazava, […]
Nandroba 27 tapitrisa Ar : Lehilahy iray naiditra am-ponja
Voasambotry ny zandarimaria miasa eo anivon’ny kaompania Tanà Ville ny lehilahy iray nandroba lelavola an-tapitrisany tao amin’ny efitrano fatoriana teratany vahiny iray tetsy Analakely, ny 8 janoary teo. Nidiran’io lehilahy io antsokosoko ny trano nisy ny teratany vahiny, ny alin’ny sabotsy 2 janoary lasa teo. Nihevitra ho tsy nisy nahatsikaritra […]
Fanafihana tsena : Jiolahy iray maty voatifitry ny polisy
Notafihan’ny jiolahy miisa 12, nirongo fitaovam-piadiana toy ny basy vita gasy sy sabatra ary famaky, ny tsenam-barotra iray tany Ankilahila, kaominina Mitsinjo, disitrikan’i Toliara II, afakomaly tamin’ny 8 ora sy sasany alina. Nodarohan’ireo olon-dratsy ny mpivarotra tao amin’ilay tsena, nandritra izany. Vokany, naratra mafy noho ny vono nahazo azy ity […]




