Maty tsy tra-drano, nipotsaka ny atidohan’ny lehilahy iray voahitsaky ny kamiao teo Ambodivoara, kaominina Ambohimangakely, omaly maraina. Nandeha tamin’ny sisin’arabe io lehilahy io, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso ny tranga. Nandalo ny kamiao lehibe iray mpitatitra entana. “Efa nangatangataka tamin’ny olona manodidina io lehilahy io talohan’izao tranga izao”, hoy ny fanazavan’ny […]
Taratra
Raharaha Kraoma tao Antanandava: Olona roa naiditra am-ponja
Naiditra am-ponja ao Ambalatavoahangy ireo olona roa voarohirohy momba ny raharaha Kraoma tao Antanandava, taorian’ny famotorana nataon’ny mpitsara eo anivon’ny fampanoavana, fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, ny alatsinainy 12 janoary teo. Nisandoka andraikitra sy nanodinkodim-bola, voasambotra ka natao famotorana ny polisy roa lahy avy eto Antananarivo sy ireo olona roa ireo, […]
Fanafihana tetsy Itaosy : Jiolahy iray lavon’ny balan’ny zandary, roa hafa naratra mafy
Nisehoana fifandonana mahery vaika teo amin’ny andian-jiolahy sy ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Itaosy, omaly maraina, tetsy amin’ny Cité Akany Sambatra, Ambohidrapeto. Jiolahy miisa telo voatifitra sy voasambotra. Iray tamin’ireo namoy ny ainy. Niaina tao anaty horohoro sy tahotra ny mponina teny amin’ny fokontany Antanetibe, Cité Akany Sambatra, kaominina […]
VAOVAO TAMBATRA
Hihatra manomboka amin’ity volana janoary ity ny fampakarana 14% ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Hisy kosa ny fanambarana ny fampakarana “rappel” raha toa ka mbola tsy mihatra amin’ireo karama sasany izany. Mety handeha tsikelikely ihany koa ny fampakarana arakaraka ny minisitera. Miakatra avokoa ny vidin’ny legioma eny an-tsena, amin’izao fotoana izao. Mitaraina […]
Kly Randrianirina Michaël: «Mandresy lahatra ny vahiny handraharaha aty Madagasikara»
Vonona hiara-miasa amin’ireo mpampiasa vola samihafa i Madagasikira satria manana ireo loharanon-karena stratejika mahasarika ireo mpampiasa vola. Vina napetraky ny fitondram-panjakana ny hialana amin’ny fampiasana solika mavesatra izay lafo sy mandoto ny tontolo iainana. Tanjona ny hampiasana ny angovo azo havaozina ho andry stratejika hampandrosoana ny toekarena. Tao anatin’ny lahateniny, […]




