Taratra

Hopitalim-panjakana : Nitrangana antandrevaka, namoizana aina roa

Nanomboka ny fiandohan’ity taona ity, indroa nahitana antandrevaka amin’ny fandraisana marary eo anivon’ny hopitalim-panjakana, namoizana aina avokoa izany. Ny voalohany, tranga niseho tao Miandrivazo, nahafatesana mpitsara iray niala sasatra tany an-toerana, ny 2 janoary lasa teo. Tranga faharoa ny tao Toamasina, ny 10 janoary ka mpiasan’ny fadintseranana indray no lasibatra […]

Ny vokatra malagasy : Tokony hanaraka ny fenitra takina

Manana vokatra marolafy azo trandrahina i Madagasi­ka­ra entina hampandrosoana ny toekarena sy hampivelarana ny fifanakalozana amin’ny va­rotra. Na izany aza, mila ma­naraka fenitra takin’ireo Nosy rahavavy ny vokatra raha ham­piditra izany amin’ny tsena ao amin’ny ranomasimbe Indiani­na. “Ma­nampy hifehezana ny tsena ny kalitaon’ny zavatra vokarina”, hoy ny mpamokatra iray. Ilaina […]

RN5, Toamasina-Foulpointe: Mitohy ny fanamboarana

Tafiditra amin’ny fanarenana ny lalam-pirenena fahadimy (RN5) izay mampitohy an’i Toamasina sy Foulpointe, ny fitondram-panjakana amin’izao. Lalana stratejika ho an’ny fivezivezena samihafa, indrindra nandritra fotoam-piotazana letisia, io lalam-pirenena io. Anatin’ny asa tanteraka amin’izao fotoana ireo tomponandraikitra na teo aza ny fahatarana noho ny antony maro, toy ny rotsakorana nifanesy. Nana­nosarotra […]

Tao anatin’ny 11 volana: Maherin’ny 6 t ny lohamenaka naondrana

Taom-pahombiazana ho an’ny sehatry ny fanondranana lohamenaka ny taona 2025 satria nampidi-bola hatrany amin’ny 452,3 miliara Ar tao anatin’ny kitapombolam-panjakana. Vokatra 6 700 taonina no naondrana teo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tsara ny vokatra, tafakatra hatrany amin’ny 6 700 taonina ny lohamenaka naondran’i Madagasika­ra tao anatin’ny 11 volana voa­lohan’ ny taona […]

FANTINA sy FINTINA

“Aza dia mandany andro amin’ny resaky ny olona mpitady seza sy te hankalaza tena”. Io ny hafatry ny depiote tsy miankina voafidy tany Ikalamavony, Ma­tsiatra Ambony, Rakotoniaina Pety, ho an’ny Praimi­ni­sitra, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny fisian’ ny fitakiana ny fandravana ny governemanta. Ry zareo so­lombavambahoaka no tena tokony […]