Taratra

Mila mangina

  Tsy mahavarina intsony ny fivoaran’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana. Mangina tsy misy miteny intsony aloha ny mpitondra teo aloha. Misy ihany ireo manao ranty amin’ny tambajotran-tserasera saingy ireo any ivelany no mahasahy. Misy ny milaza ho mpisintona lakolosy saingy mijanona ho ana habaka ihany noho ny tahotra. Ny ranty atao […]

Fanapahan’ny HCC : Mihozongozona ny sezan’ireo depiote Irmar dimy

Depiote miisa dimy avy amin’ny Irmar no hoesorina. Efa voarain’izy ireo ny taratasy avy amin’ny HCC. Manana herinandro hiarovan-tena ry zareo ka hanampy amin’ny fiarovana ny lehiben’ny mpanohitra, Milavonjy Philobert. Voaroaka tsy ho solombavambahoaka intsony ny depiote Irmar miisa dimy. Efa naharay ny fampahafantarana avy amin’ny mpitsara avo izy ireo. […]

Us Monastir sy ny Jet Kintana : Hiara-miasa hampandroso ny baolina kitra

Mivelatra hatrany! Nanao fifanarahana, indrindra ho an’ny taranja baolina kitra, ny Jet Kintana, klioba eto Ma­dagasikara, sy ny Union sportive Monastir, ekipa divizionina voalohany any Tunisie. Notontosaina ny faran’ny herinandro lasa teo izany, tany Monastir. Hifanome tanana amin’ny fampandrosoana ny baolina kitra eto madagasikara sy hanome vahana ireo tanora mba […]

SOMBIM-BAOVAO

Nitsidika sy niarahaba noho ny fahatrarana ny taona ary nanolotra fanomezana an-dRandriama­nampisoa Alfred, filohan’ny FMF, ny fikambanan’ny klioba elita eto Madagasikara CFEM, notarihin’ny filoha, Rakotoarimanana Henintsoa, omaly, teny Isoraka. Tsy ny CFEM irery ihany fa teo ihany koa ny delegasionina avy amin’ny ligin’Analamanga. Notanterahina ny alahady lasa teo ny lalao […]

Basikety – “Ratafia” : Andrasana ao amin’ny Kianja mitafo Mahama­sina ny razana

Andrasana ao amin’ny Kianja mitafo Mahamasina ny vata-mangatsiakan-dRakotoarivelo Edmond na Ratafia, nodimandry ny alahady lasa teo. Ratafia, ilay andrarezina eo amin’ny taranja basikety ary tsy misy tsy mahalala azy eo amin’ity taranja ity. 96 taona izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao rehefa tojo tsy fahasalamana naharitra. Angady nananana sy vy nahitana […]