Raharaha izy ity! Fa tokony samy mahay maka lesona fotsiny tamin’izay niseho sy izay hiseho. Izay no azo amehezana ny fizotry ny raharaha politika eto Madagasikara hatry ny omaly. Manahirana ny miresaka politika amin’izao fotoana. Izay anontaniana na angatahana tafa ho an’ny mpamaky dia mitsipaka avokoa fa “mahamay”, hono, ny […]
Taratra
Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy ny fitabatabana no hanendrena ho minisitra”
Mitarika hetsika an-dalambe ireo tanora Gen Z fa hoe tsy voatendry ho minisitra? Mamaly ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy ny fitabatabana no hanendrena ho minisitra”. Valin-teny avy hatrany… “Manentana ny tanora mba hianatra ny politika tena izy. Fa tsy hoe mitabataba eny amin’ny tambajotran-tserasera; avy eo, mametraka […]
TSELATRA
Mirongatra ny fahitana fatin-jazakely menavava tato ho ato. Zaza vao teraka indray no nisy nanary tetsy Ambaniatsimo Tanjombato, omaly. Nataon’ireo tsy mataho-tody tao anaty harona plastika ilay zaza izay efa tsy nisy aina intsony. Nampandrenesina mahakasika ny tranga ny mpitandro filaminana eny an-toerana. Manodidina ny 40 ireo kodiaran-droa (moto sy […]
Telo lahy nandroba Cash point : Roa lahy niampy polisy iray voaambana basy
Nandositra avokoa ireo telo lahy nandroba mpanao Cash-point teny amin’ny fokontany Anatihazo-Isotry, ny harivan’ny alakamisy 9 avrily teo, tamin’ny 6 ora sy sasany. “Handeha hody izahay ary efa teo am-baravarana, kanjo nosakanan’ny telo lahy tampoka”, hoy ny fanazavan’ny iray tamin’ireo roa lahy lasibatra. Nampiasa fitaovam-piadiana toy ny basy sy antsy […]
Nitazona dahalo: Zandary maty, latsaka tany anaty hantsana
Zandary am-perinasa iray namoy ny ainy rehefa latsaka tany anaty hantsana niaraka tamin’ny dahalo vao avy nosamborina. Tao amin’ny kaominina Fenoarivo, Ambatofinandrahana, no nisehoan’izany omaly maraina. Nisolifatra, latsaka tany anaty hantsana, notatazan’ny vato. Maty tsy tra-drano izy sy ny dahalo iray izay nifatotra niaraka taminy. Tsy afa-nisaraka izy ireo. Amin’ny […]





