Taratra

Rakotovao Rivo : “Mifameno amin’ny fampihavanana ny fanadiovana”

“Raha ho an’ny antoko politika HVM: aleo aloha hajanona ny fifanarahana politika ho fanadiovana olona, fa aleo handeha ny lafiny fitsarana. Amin’izay, manadio an’ilay olona. Tsy ny lafiny politika no hanadio ny fomba fitantanan’ny tena teo amin’ny fitondrana”. Izay ny fanehoan-kevitry ny mpandrindra nasionalin’ny antoko Hery vaovaon’i Mada­gasikara (HVM), Rakotovao […]

Samia miandry !

  Mahoraka indray aloha ny fanovana governemanta. Raha ny tetiandro miely any rehetra any dia ny faran’ny volana janoary na ny fiandohan’ny volana febroary no handeha izany. Mainka nampahoraka ny fiparitahan’ny vaovao rahateo ny fanombohan’ny fanaovana tombana ireo notendrena sy napetraka ho minisitra. Tapitra ny roa volana voalaza fa hanaovana […]

Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy natao hahakivy ny fanenjehana sy tsikera”

Miiabo ny fijery ho an’ny Kolonely Randrianirina Michaël, filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. Tsy natao hahakivy ny fanenjehana sy ny tsikera, hoy izy, amin’izao fiandohan’ny taona izao. “Na eo aza ny fanenjehana sy ny tsikera maro, tsy natao ha­hakivy ireny fa vao mainka entina hanamafisana ny finiavana hanatanteraka ny tsara […]

VAOVAO TAMBATRA

Maizina tanteraka ny tanànan’i Mandritsara noho ny fahataran’ny fahatongavan’ny solika hampiodinana ireo milina mpihary herinaratry ny Jirama. Ratsy ny lalana mampitohy an’Antsohihy sy Mandritsara taorian’ny ora nikija nandritra ny telo andro, vokany voatery tafajanona ao Ambodiadabo, 50 km tsy hidirana an’i Mandritsara ilay fiarabe mitondra solika. Mitotongana ny vola malagasy. […]

Lalam-pirenena fahenina (RN6): Mizotra am-pilaminana ny fitaterana

Miverina amin’ny laoniny ny fampitana fiara eo Ifasy, amin’ny lalam-pirenena fahenina (RN6) taorian’ny fahasimban’ny “carénage” izay ni­diran’ny rano ka niteraka tsy fahatomombanana tamin’ny fitaovana. Ity farany izay nampiato vonjimaika ny fitaterana, raha ny fampahafantarana na­taon’ny minisiteran’ny Asa va­venty. Nivoitra tao anatin’izay fa vita ny alatsinainy teo ny asa hanamorana ny […]