Taratra

Ho fampivelarana ny kabary taona 2026: Hampianatra maimaimpoana ny Manda

Tafiditra ao anatin’ny fom­ba fiasa ho fampitiavana sy ho fampivelarana ny tontolon’ny kabary, tanterahin’ny fikambanana Manda Mpikabary, ny fampianarana izany maimaimpoana. Eny amin’ny biraon’ny boriborintany miisa 6 eto an-dRenivohitra no hanatontosana izany. Hetsika hanomboka ny sabotsy 17 janoary sy ny alahady 18 janoary ho avy izao. Haharitra 7 volana ny […]

Fanehoana ny kanto : Tsy atahorana ny « IA »

Manomboka miroborobo fatratra ankehitriny ny fampiasana ny « Intelligence artificielle » na ny « IA » amina sehatra maro. Iray amin’ireny ny tontolon’ny zavakanto toy ny sary pika, sary hosodoko, ny sarimihetsika, ny mozika, sns. Amin’ny ankapobeny, ho fanampiana sy ho « fanatsarana » ny zavakanto no ampiasana ny « IA ». Sary pika matroka, hainy ny manadio […]

Mozika tropikaly : Haneho sy hamelatra ny talentany i Désiré

Taona 2026, hanatanteraka ny fanambiny i Désiré. Tapa-kevitra ny hampahafantatra ny kanto ataony eo amin’ny tontolon’ny hira. Hamelatra izany amina sehatra maro. Mpanakanto vao erotrerony. Zanak’i Manana­ra Avaratra ary lehibe tany Toamasina i Désiré. Ni­safidy ny handalina manokana ny fikirakirana ny gadon-kira mihetsika izay voasokajy anatin’ny mozika tropikaly izy. Taona […]

Minisitry ny Fitsarana : “Tsy misy hahasakana ny fiampangana eny amin’ny parlemanta”

“Efa nametrahana fitoriana niarahana amin’ny Gen Z eny Antenimierampirenena mba hahazoana manao fiampangana azy. Tsy misy hahasakana an’io fiampangana io.” Izay ny fanazavan’ny minisitry Fitsarana, i Ernaivo Fani­risoa, tamin’ny tambajotran-tserasera, fiandohan’ny herinandro teo, ny amin’ny raharaha momba ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Hotsarain’ny vahoaka eo izay mieritreritra hanakana an’io, […]

FANTINA sy FINTINA

Efa hita taratra ny fanovana, araka ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny mpanjaka telo tonta amin’ny foko Antesaka ao Vangaindrano, i Ndimbiarison G, afakomaly. Eo ny fiverenan’ny hasin’ny mpiasam-panjakana sy ny hasin’ny olom-boafidy izay nanara-drenirano teo aloha. Niverina koa ny zo fototra amin’ny fahazoana maneho hevitra. Hita koa ny tokony hanavaozana ny […]