Taratra

Vohemar : Vehivavy notsatohan-drafiny antsy

Naratra voatsatoka antsy ny vehivavy iray nandritra ny fifampikasihan-tanana teo aminy sy ny rafiny, tao Ambaton­drazaka, fokontany Antanamiketraka, any Antsirabe Avara­tra, distrikan’i Vohemar, ny 2 janoary teo. Nifamaly io vehivavy io sy ny vehivavy vadin’ny lehilahy iray. Samy sakaizan-drangahy izy roa vavy ireo ary samy niterahany iray avy. Tsy mifanalavitra […]

Andranomena sy Anosipatrana : Tratra ireo roa lahy mpanendaka moto sy bisikileta

Saron’ny polisim-pirenena ireo roa lahy, mpanendaka taxi-moto sy taxi-bisikileta tamin’ny fiandohan’ity volana janoary ity. Voasambotra tetsy Andranomena, ny alin’ny 04 janoary 2025, tokony ho tamin’ny 11 ora alina lasa teo, ny olon-dratsy iray, izay nanendaka taxi-moto. Mody nanao mpandeha io lehilahy io ary novelesiny tamin’ny tavoahangy tampoka ny lohan’ilay mpitondra […]

Lakana rendrika : Olona enina avotry ny miaramila

Rendrika teny am-pandehanana omaly, tao amin’ny elodranon’Antsiranana, ny lakana iray nitondra olona enina. Raha ny fampitam-baovao voaray teo anivon’ny tobim-pamaharan’ny Tafika an-dranomasina ao Antsiranana (Bana), avy any Cap Diego ho any Antsiranana no rendrika tampoka teny am-pandehanana. Voalaza fa nisy fahasimbana ny lakana nentin’izy ireo ka nitarika ny fivadihana. Tonga […]

Antohomadinika : Efa-dahy nahatrarana Héroine

Mpitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika « héroine » miisa efatra mirahalahy nosamborin’ny polisim-pirenena tetsy Antohomandinika, ny alatsinainy 5 janoary teo. Malaza ratsy amin’ny fisiana andiana tanora midoroka sy mitsindrona zava-mahadomelina ma­he­ry vaika ny faritra Antoho­ma­dinika sy 67 Ha. Nanao fi­safoana tampoka teny an-toerana taorian’ny nahazoany lo­haranom-baovao ny polisim-pirenena misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny […]

TARATRY ny KANTO

Nanavao ny momba azy manontolo ny Zanabaliha. 30 taona katroka tamin’iny taona nivalona iny no nijoroan’ity sehatra mikirakira momba ny zavakanto sy ny kolontsaina ity. Ny 3 janoary 2026 teo, nandritra ny fihaonan’ny mpanorina sy ny mpikambana ankehitriny no nanambarana fa miatrika fanavaozana lehibe ny Zanabaliha. Nohatevenina ny sehatra hanatanterahiny […]