Taratra

SOMBIM-BAOVAO

Voafidy, nandray anjara tamin’ny andiany fahefatra amin’ny fiofanana hahazoana ny mari-pahaizana amin’ny haitarika ara-teknika ny Fifa, ny tale teknika nasionalin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Rasoanaivo Rado. Fiofanana izay natao tao Paris France, nanomboka ny 9 hatramin’ny 14 marsa lasa teo. Hotanterahina ny faran’ny volana marsa ho avy izao, any Antsirabe, […]

Pancrace MMA: Hisy fifaninanana iraisam-pirenena

Hisy ny fifaninanana iraisam-pirenena eo amin’ny ta­ranja Pancrace MMA, karakarain’ny CMPS (Commission malgache de pancrace et submission), ny volana mey izao, araka ny fampitam-baovao nataon’izy ireo, omaly, teny Betongolo. Mbola tsy fantatra ny daty fa miankina amin’ny fahalalahan’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, raha ny fanazavan’ny filohan’ny CMPS, Zafindranaivo Mely. Mahakasika ilay […]

Pureplay Football League : Efa tafita ny Disciples FC sy ny Cosfa

Ny ekipan’ny Disciples FC Vakinankaratra, ao amin’ny Kaonferansy Atsimo sy ny Cosfa, Avaratra, no efa tafita any amin’ny dingan’ny ampahefa-dalan’ny “Pureplay Football League (PFL)”. Ny miaramila izay nahazo ny tapakilan’ny “Playoff PFL”, rehefa nandavo ny TGBC Atsinanana, tamin’ny isa 2 no ho 1, omaly, tetsy Betongolo. Ny solontenan’i Vakinankaratra kosa, […]

Rugby – XXL Top 12 : Ny 3 mey vao hiverina ny fifaninanana

Miandry ny fahavitan’ny Fédéral 2, Top 20, vao hiverina hiakatra kianja indray ireo ekipa miady ny ho tomponda­kan’i Madagasikara amin’ny « XXL Top 12 ». Raha tsy misy ny fiovana, any amin’ny fiandohan’ny volana mey vao hi­tohy ny fifanintsanana ho azy ireo. Miato tanteraka ny fifanintsanana eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i […]

VAOVAO TAMBATRA

Manana minisitera mitokana ny Fiompiana. Io no anisan’ny nampiavaka ny mpikambana ao anatin’ity governemanta vaovao ity. Tsiahivina anefa, fa nitaky ny hametrahana fitantanana jeneraly mahaleo tena ireo mpiasan’ny Fiompiana, saingy nolavin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana teo aloha. Nivaly ny fitakian’ireo mpiasa, ka izao manana minisitera mitokana izao. Nisy […]