Taratra

Asa haingana mivaingana

  Ela no niandrasana ny fijoroan’ny governemanta? Nanantena fanovana sy fanavaozana ny rehetra… Lalàn-javatra, misy ny tonga tamin’izay nampoizina, ao ny tsy hita be ihany na diso fanantenana aza. Arakaraka ny toerana misy ny tsirairay izay, na izay heverina sy kendreny amin’izany, Na izany aza, mila asa haingana sy mivaingana […]

Fahaverezan’ny vola 3 811 miliara Ar : Miroso amin’ny fanenjehana ny fitsarana momba ny kaonty

Nahabe resaka tato ho ato ny amin’ny volam-panjakana 3 811 miliara Ar very. Tsy mipetra-potsiny amin’izao ny fitsarana momba ny kaonty nanao ny tatitra. Irosoana ny fanaovana fanenjehana fandikan-dalàna. Mahatratra 3 811 miliara Ar ny vola very amin’ ny kitapombolam-panjakana, araka ny tatitry ny fitsarana momba ny kaonty, taona 2025, teny […]

Ambohimangakely : Lehilahy maty novonoin’ny vinantony

Nodarohan’ny vinantolahiny nandritra ny fifamaliana, namoy ny ainy taorian’ny ratra nahazo azy, ny raim-pianakaviana iray tetsy Ambo­himangakely, ny talata 24 marsa lasa teo. Nivoa-dra ny vavany, naratra ny faritra sasany tamin’ny vatan’ilay raim-pianakaviana namoy ny ainy tao amin’ny fokontany Antanam­bao, kaominina Ambohiman­ga­kely, ny 24 marsa lasa teo. Nifamalimaly tamin’ny vinantolahiny […]

Nanafika banky: Roa lahy tratra, azo ny 20 tapitrisa Ar

Notafihin’ny lehilahy miisa roa ny banky iray eny Ano­sivavaka Ambohimanarina, omaly atoandro. Nitondra basy izy ireo nandritra izany, ary nambanany tamin’izany ny mpiasa tao amin’ilay banky. Norahonany ho tifirina ireo mpiasa raha tsy manome ny vola takin’izy ireo. Voaroba tamin’izany ny vola mitentina 20 000 000 Ariary. Nampandre ny polisim-pirenena avy […]

Kolikoly nandritra ny fanadinana ho mpitsara : Namidy 1 000 000 Ar ny laza adina iray

Namoaka fanambarana ny Bianco, omaly, momba ny fivoahan’ny laza adina alohan’ny fotoana nandritra ny fanadinana fandraisana mpianatra ho mpitsara. Namidy 1 000 000 Ar ny laza adina iray, araka ny fanadihadiana nataon’izy ireo. Olona enina, mpanao kolikoly mamoaka laza adina mialoha mahakasika ny fanadinana fandraisana mpianatra ho mpitsara (ENMG) andiany faha-21, 2024, […]