Fatin-dehilahy efa simba sady nifatotra hitan’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ambohitsara Avaratra, kaominina Antsoha, distrikan’i Mandritsara, afakomaly. Lehilahy zarazara fihodirana, manodidina ny 40 taona mahery eo, io namoy ny ainy io. Nifatotra tanteraka ny tanany sy ny tongony. Novonoin’ny olon-dratsy tany amin’ ny toeran-kafa io lehilahy io, araka ny fanazavan’ny […]
Taratra
Fenoarivo : Lehilahy iray matin’ny hatsiaka
Hita faty tao anaty tatatra tetsy Fenoarivo, ny lehilahy iray, omaly. Tsy nisy ratra ny vatany fa nahitana fery amban’ ny aretina diabeta kosa ny rantsan-tongony. Matin’ny hatsiaka ny nahafaty azy, raha ny fizahan’ny mpitsabo. Lehilahy iray, 42 taona, hita faty tao anaty tatatra, amoron’arabe, lalam-pirenena voalohany, teo amin’ ny […]
ITM-IHM 2026 : Hasongadina aty Afrika i Madagasikara
Hatao ny 11, 12, 13 ary ny 14 jona 2026 ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny Fizahantany (ITM), andiany faha-12, sy ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny Asa tanana (IHM) andiany fahatelo. Mikarakara azy ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany (ONTM), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fizahantany […]
VAOVAO TAMBATRA
Hamoraina ny fanohanana ny mpandraharaha, Vovonana natokana ho an’ny orinasa madinika sy salantsalany (PME). Tanjona ny hananganana sehatra tsy miankina matanjaka sy mifaninana ka hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana. Marihina fa fototra iankinan’ny toekarena ny PME izay mandrafitra ny 90% ny orinasa eto amin’ny firenena sy manome asa maherin’ny 60%. Mahatratra […]
Fakafaka: Fanavaozana inona?
Fanavaozana, fanovana toe-tsaina, fananganana rafitra vaovao. Voambolana malaza amin’izao fotoana ireo, satria anatin’ny vanim-potoana tokony hitondra mankany amin’ny fiovana i Madagasikara. Inona ny mahakasika ny kolontsaina, amin’izany fanavaozana izany? Izy rehetra. Mba tsy hilazana fa ny lafiny kolontsaina mihitsy no kitihina amin’izany. Saingy mety ilay voambolana« fanavaozana » no tsy mampitovy hevitra. […]




