Hetsika lehibe ho an’ny hainahandro eto Madagasikara. Hanasongadina ny akora, ny vokatra ary ny fahaiza-manao malagasy izy ity. Sehatra ifaneraseran’ireo matihanina amin’ny hainahandro ihany koa. Saika hatao ny volana septambra teo, saingy voatery nahemotra noho ny toe-draharaha. Efa feno kosa izao ny fepetra, ka hotontosaina ny 18 hatramin’ny 20 desambra […]
Taratra
Gem : « Mila apetraka ny fifampitokisana »
Nifanakalo hevitra momba ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara ny vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara (Gem) sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy eto an-toerana sy avy any ivelany. Nandritra ny Fihaonambe stratejika voalohany, “Re Gem”, ny zoma teo izany. Nasongadin’ny filohan’ny Gem, Rabarijohn Francis, fa ilaina ny fifampitokisana eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra […]
Fitaterana an-dalamby : Nisokatra ihany ny « Train Urbain »
Nanomboka omaly, ny zotra an-dalamby an-tanàn-dehibe, tetikasa « Train Urbain », mampitohy an’i Soarano hatreny Ambohimanambola. Hitombo tsikelikely ny isan’ny fiaran-dalamby hiasa. Indro isan’andro, aty am-boalohany, ny zotra miainga eo Soarano hatreny Ambohimanambola, mirefy 16 km. Atao ao anatin’ny 45 minitra, ka 2 minitra isaky ny toeram-piantsonana miisa enina (Ampefiloha, Soanierana, Ambohipo, Androndra, […]
INDRAY MIJERY
“20 taona niasana mba hisakafo tsara ny ona rehetra, andao raona hiara-hihetsika hampandroso ny fanjarian-tsakafo”. Io no lohahevitra nanamarihana ny Androm-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo andininy faha-20 sady ho famaranana ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny ONN natao tany Ambositra, ny faran’ny herinandro teo. Tombanan’ny mpamantatra ny toetr’andro ho betsaka ny rotsakorana […]
Gen Y-Tana IV: Nitokana ny QG etsy Anosibe
Notokanana ny sabotsy teo, ny QG an’ny Gen Y-Tana IV, etsy Anosibe Andrefana II. Natao handraisana ny fitarainan’ny mponina rehetra eny ifotony io toerana io. Tonga nanotrona izany ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Ogascar Fenosoa. Ankoatra izay, nanatanteraka fivoriambe teny an-toerana ihany koa izy ireo. Tonga maro nanatrika […]




