Notanterahina tetsy amin’ny Minning Business Center, ny faran’ny herinandro teo, ny fanamarihana ny faha-10 taona nijoroan’ny fikambanam-behivavy, Destiny, izay tarihin-dRandrianarisoa Hoby, vadin’ny ben’ny Tanànan’ Ivato. 10 taona nanaovana asa sosialy amin’ireo sokajin’olona marefo sy zokiolona ary olona manana fahasembanana ny fikambanana. Tao anatin’izany fotoana izany dia efa an’aliny maro ireo […]
Taratra
Fitsaboana nify : Lafo ho an’ny ankamaroan’ny Malagasy
Hafarana avokoa ny fitaovana sy kojakoja fitsaboana nify eto Madagasikara ka mampalafo ny saran’ny fitsaboana. Vitsy koa ny mpitsabo nify eto amintsika. Mbola miatrika olana goavana ny sehatry ny fahasalaman’ny ativava, eto Madagasikara. Vitsy ny mpitsabo nify, lafo ny fitaovana, tsy ampy ihany koa ny fisorohana. Manaitra ny tomponandraikitra samihafa […]
Fahasalamana ara-pananahana: Nandray ny delegasionina Ipas sy solombavambahoaka i Toliara
Namita iraka tany Toliara ny Ipas Afrique francophone sy ny Réseau parlementaire national pour la justice réproductive. Nanatanteraka hetsika faobe ho fampahafantarana ny lalàna laharana 2017- 043 mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana izy ireo. Nihaona tamin’ny talem-paritry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Atsimo Andrefana, Rambeloson Basile Casimir, ny herinandro lasa teo, […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina, ny volana avrily ny fihaonana miverina eo amin’ny Elgeco Plus sy ny Disciples FC Vakinankaratra, raha tsy misy ny fiovana. Marihina fa ity fifanandrinana ity dia tafiditra anatin’ny andro faha-11, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny taranja baolina kitra «Pureplay Football League (PFL)». Nambaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra […]
Barean’i Madagasikara : Efa any Turquie ny ankamaroan’ny mpilaravinahitra
Araka ny fikarohana natao omaly, efa any Antalya Turquie, ny akamaroan’ ny mpilaravinahitra ao amin’ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara. Anisan’izany ry Clement Couturier, Sandro Tremoulet, Ehsan Khari, Thomas Fontaine, Johan N’Zi, Morgan Jean Pierre, Bryan Adinani, Tommy Iva. Nigadona omaly, niaraka tamin’ny mpilalao koa i Corentin Martins, mpanazatra ny ekipam-pirenena. Raha […]





