Taratra

Tekken Madagascar : Tafiditra ao anaty «circuit mondial»

Miroborobo fatratra, ankehitriny, ny fanatanjahantena lalaovina amin’ny solosaina. Tsy mijanona ho fialamboly fotsiny anefa fa lasa fifaninanana iraisam-pirenena mihitsy. Anisan’izany ny Tekken Madagascar, izay efa tafiditra ao anatin’ireo dingana hiadiana ny ho tompondaka maneran-tany. Nampahafantarina ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Yas Madagas­car Andraharo, ny Tekken Madagascar. Fikambanana ivondronan’ireo mpilalao […]

FANTINA sy FINTINA

Mitaky ny hamoahana ny tondrozotran’ny Tetezamita ny filoha teo aloha, Ravalomanana, araka ny nambarany tao Antsirabe, ny faran’ny herinandro teo. Nanteriny fa tsy maintsy faritana tsara izany ary handalo dingana maro ny firenena. «Tsy maintsy manana faharetana isika», hoy izy tamin’ny fanamarihana ny tsingerin-taona nahaterahany. Nahitsy ny mpanao gazety sady […]

Ceni : «Hanaovana fitsirihana sy fanadiovana ny lisi-pifidianana»

“Raha tsy manomboka ny fanatsarana ny lisi-pifidianana amin’izao fotoana izao isika, ho sarotra ny hanatanterahana ny fifidianana ato anatin’ny 24 volana”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo, momba ny fiatrehana fifidianana ao­rian’ny fikaonandoham-pirenena. Farafahakeliny, mila enim-bolana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana. Raha hiandry ny […]

Rano sy loto

Tsy vita hatreo akory, mbola hijohy ny orana, saika manerana ny tanàna maro, manerana ny Nosy. Efa mahazo ny anjarany, mihoatra ny mety ny eto an-dRenivohitra. Mahazo ny sahaza azy ny any amin’ny faritra. Mila mitandrina amin’ny fiakaran’ny rano, araka izany, ny zanakolombelona. Tena nampihantain-janahary tanteraka. Migalabona aoka izany ny […]

Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama : «Miandry vokatra mivaingana ny vahoaka»

Nanomboka omaly ny fifanatrehan’ny solombavambahoaka sy ny mpikamban’ny governemanta. ”Miandry vokatra mivaingana ny vahoaka”, hoy ny Praiminisitra nandritra izany. “Fantatry ny governemanta tsara fa miandry vokatra mivaingana sy azo tsapain-tanana ary maika ny vahoaka”. Io ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama tamin’ny fanombohana ny fifanatrehan’ny Antenimierampi­re­nena sy ny governemanta, teny Tsimbazaza, […]