Naneho ny heviny manoloana amin’izao hijoroan’ny governemanta izao ny Jly Ramakavelo Désiré. Notsiahiviny tamin’izany ny tantara. “Sahy handika ny baikon’ny Vondrona afrikanina sy ny Sadc ve ny Praiminisitra amin’ izao? Satria napetraka sy nabaribarin-dry zareo hoe mila fiaraha-mitantana. Sahy hanohitra an’ izay ve izy aloha”? Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry […]
Taratra
Sasa-miandry
Vita kosa angamba izy izay? Andrasana, anio, araka ny tenin’ny Filoham-panjakana ny anaran’ny olona handrafitra indray ny governemanta vaovaon’ny fanavaozana. Asa iza no ho afa-panadinana ao? Iza no manam-bitana hamerina kilasy, ka ho afaka ny hanatevim-pahalalana indray? Miankina amin’ny mpanadina ny zava-drehetra. Raha ny tsilian-tsofina mandeha, efa anatin’ny fandinihana ny […]
Anosipatrana : Lehilahy nandroba volan’ny mpampiasa 3 tapitrisa Ar
Voasambotry ny mpitandro filaminana teo am-panatanterahana ny asa ratsiny ny lehilahy iray teo Anosipatrana « Trano dimy », ny alin’ny sabotsy 22 marsa lasa teo. Nanao fisafoana nandritra ny alina teny amin’io faritra malaza ratsy amin’ny tsy fandriampahalemana io ny ekipan’ny polisim-pirenena. Naharay antso an-telefaonina izy ireo fa misy olona mampiahiahy tratra […]
Kamiao tra-doza : Olona telo naratra mafy
Nipitika ivelan’ny kamiao ny olona roa tamin’ireo telo voa mafy nandritra ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny “autoroute” mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ambohimanga, omaly tolakandro. Kamiao iray nidona tamin’ny rindrim-bato manasasaka ny arabe. “Nipitika nivoaka teo amin’ny fitaratra aloha an’ny fiara ny roa tamin’ireo tra-doza”, hoy ny fitantaran’ny nanatri-maso. Nifamonjena, nentina nihazo […]
Hita faty tao anaty tsena : Ramatoa voarasa antsy teo amin’ny tendany
Hita nitsirara tamin’ny tany, voarasa antsy teo amin’ny tendany ny renim-pianakaviana iray 67 taona, omaly maraina. Nisy namono tao an-tsenany, ao Mahavoky avaratra izy. Hita faty tao amin’ny fokontany Mahavoky avaratra, kaominina Mahajanga, omaly maraina, ny vehivavy mpivarotra amin’ny toeram-pisotroana iray. Ahina novonoina tao an-tsenany ihany izy, raha ny fampitam-baovao […]





