Taratra

Fihaonana tamin’ny filoham-panjakana : Hanamafy ny fiaraha-miasa ny Firenena mikambana

Mitohy hatrany ny fandraisan’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël ireo eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena. Anisan’ny nihaona taminy ny faran’ny herinandro teo ny avy amin’ny Firenena mikambana (ONU). Nivoitra tamin’ny fihao­nana teo amin’ny roa tonta ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’i Ma­dagasikara. Tafiditra ao ana­tin’izany ny fanohanana ny dingan’ny fanavaozana eto amin’ny […]

Alao hery!

  Fanavaozana, fanovana, fanorenana ifotony… Izany no atrehina izao, tsy maintsy atao. Izay no hetaheta sy fitakian’ny vahoaka. Tena atao? Mba tsy hiverimberina intsony ny korontana politika. Taloha, tamin’ny taona 1992 sy 2010, ohatra, nisy ihany ny hoe fikaonandoham-pirenena. Nidona tamin’ny rindrina? Matoa miverina ihany ny krizy politika, toa mafy […]

TSELATRA

Mpiambina amin’ny toeram-pisakafoana iray tao Antsahakely, kaominina Antsirabe, hita faty nihaohoka tamin’ny tany, omaly maraina. Ahiana ho novoin’ny tsy mataho-tody io lehilahy io. Lehilahy iray voafaokan’ny fiara teny amin’ny lalana mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ambohimanarina, afakomaly alina. Mamo io lehilahy io ka tsy nahafehy in­tsony ny tenany. Lehilahy nanolan-jaza 1 […]

Fisavana ny tranon-dRavatomanga mamy: Nikaroka basy sy vola ireo miaramila nisaron-tava

Niharan’ny vono avy ha­trany ny mpiandry tanàna ny marain’ny sabotsy teo nanoloana ireto miaramila miisa fito ireto teo am-bahahady, an­koatra ireo andiany hafa na­nodidina ny tanàna sy nanemitra ny arabe. Nitonona ho iraky ny fanjakana izy ireo ary hisava kanefa tsy nampiseho taratasy momba izany, araka ny loharanom-baovao. Nive­rim­berina ny […]

Ambatolampy : Mpanolan-jaza voasambotra

Nosamborin’ny manam-pahefana ny lehilahy iray nikasa hanolan-jaza tao amin’ny fokontany Ankidondona I, kaomi­nina Ambatolampy, ny 11 desambra teo. Norebireben’io lehi­lahy io ny zazavavy vao 12 taona. Nosarihina hiditra tao amin’ ny trano fonenany. Nikasa hanampatra ny filan-dratsiny ity lehilahy ity kinanjo nikiakiaka sady niantso vonjy tamin’ny manodidina ilay ankizivavy. Nikoropaka […]