Taratra

Baolina kitra – PFL : Manamafy ny toerany ny Disciples Fc

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, ny andro fahasivy sy fahafolon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Ho an’ny kaonferansy Atsimo, mbola mitana ny lohany sy manamafy ny toerany, ny Disciples Fc Vakinankaratra. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 4 no ho 2, ny As Ste Anne, […]

Rallye Malagasy : Voafidy ho filohan’ny federa­sionina Rabekoto Jeannot

Nohamafisin’ny mpifidy ny toeran’ny filohan’ny tetezamita, nitantana ny “Federation sport automobile malagasy” (FSAM). Hitantana izany mandritra ny efa-taona Rakotobe Jeannot, izay mandimby an-dRakotofiringa Jimmy. Rabekoto Jeannot, fantatry ny rehetra amin’ny solon’anarana hoe : Nonot no lany hitantana ny Federation sport automobile malagasy (FSAM), mandritra ny fotoam-piasana 2026-2030. Tontosa afakomaly, teny amin’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Natsahatra vonjimaika ny asan’ilay orinasa mpitrandraka vato fanorenana trano eny Ambohima­laza. Voamarina nandritra ny fanadihadiana sy fidinana ifotony notanterahin’ny One sy ny Medd ary ireo manam-pahefana isan-tsokajiny fa mivarina mivantana any an-drenirano ka mandoto ny rano manodidina ny rano avoakan’ity orinasa ity. Nodidina hanamboatra ny fotodrafitrasa misy fahasimbana ny orinasa […]

Fikambanan’ny Orinasa Malagasy : Hanatsara ny anjara toeran’ny mpikambana

Nanatanteraka fivoriam-be fanao isan-taona, tetsy An­tsahavola ny fikambanan’ny orinasa malagasy (FOM), ny alakamisy 19 marsa 2026 lasa teo. Tonga maro nanatrika izany ny orinasa mpikambana sy mpiara-miombon’antoka maro. Dingana lehibe ataon’ izy ireo amin’ity taona ity ny hanamafisana ny anjara toeran’ireo orinasa madinika sy salantsalany (TPE sy PME) eo amin’ny […]