Taratra

TSELATRA

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina tany Moratsiazo, kaominina Ampefy, Soavinandriana, faritra Itasy, omaly. Tra-doza, nifatratra tamin’ny tranon’ olona ny fiara tsy mataho-dalana iray, nivadika ihany koa, nandritra izany. Olona telo no tao anatiny. Maty tsy tra-drano ny mpamily. Olona roa hafa naratra mafy, efa nen­tina nihazo ny hopitaly. Nandeha mafy ny […]

Olona telo voasaringotra : Vehivavy voaolana namoy ny ainy

Namoy ny ainy ny tovo­vavy iray niharan’ny fanola­nana monina ao Marovahona, fo­kontany Ambohi­drala­manga, kaominina Fandriana, omaly. Niharan’ny herisetra tao amin’ ny trano fisotroana iray, tao amin’ny tsenan’Amba­tonan­driana, ny volana mey lasa teo, io vehivavy io, araka ny angom-baovao. Nitaraina mafy tamin’ny fianakaviany ilay lasibatra ka nentin’izy ireo natao fizahana teny […]

Andraisoro : Telo vavy nangalatra 2 tapitrisa Ar

Nofatoran’izy telo vavy ny mpanampy ka noraofiny ny vola 2 tapitrisa Ar, niampy finday telo sy kojakoja fikaraka­rana volo, tao amin’ny tokantrano iray, teny Andraisoro, ny 9 desambra teo. Niditra an-tsokosoko tao amin’io tokantrano io ireo mpanao ratsy. Notanan’izy ireo ilay mpanampy. Tsy nahatohitra ity farany ka nofatoran’ireo tsy mataho-tody. […]

Manoloana ny fiovan’ny toetr’andro : Nanao fanazarana amin’ny fiatrehana loza ny faritra 15

« Tany amin’ny taona 2013-2015, faritra 16 amin’ny faritra 22 no voafaritra fa marefo. Amin’izao fotoana izao, marefo avokoa ny faritra 24 noho ny fiovan’ny toetr’andro », hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel, omaly, teny Andrainarivo. Efa fanao isan-taona ny fanazarana amin’ny fiomanana momba ny fiatrehana ny […]