Taratra

VAOVAO TAMBATRA

Manomboka miakatra ny vidim-bary eny an-tsena. Lasa 3 600Ar ny kilaon’ny vary gasy raha toa ka 3 400Ar izany andro vitsy lasa izay. Manahy sahady amin’ny fiakaran’ny vidim-bokatra ny mpanjifa manoloana ny rotsakorana misesisesy misy amin’izao fotoana izao. Sambany tsy nahitam-piakarana ny atody amin’izao ankatoky ny fety izao. Betsaka ny […]

BNI Lovain-jafy: Manasongadina hatrany ny fandraharahana maitso

Namiratra indray ny tontolon’ny toekarena maharitra tamin’ny alalan’ny fanolorana ny « Trophées BNI Lovain-jafy », notanterahin’ny BNI Madagascar tao amin’ny Axian University, Andraharo, ny 10 desambra 2025. Nisongadina tamin’ity hetsika ity ny firaisankina teo amin’ny sehatra tsy miankina, ny teknisianina ary ny mpiara-miombon’antoka amin’ny fanohanana ny tontolo iainana. Eo anilan’ny […]

Fampandrosoana maitso: Fifanarahana fanoloran-tena

Natao nandritra ny roa andro, ny 9 sy 10 desambra teo, teto Antananarivo, ny fikaonandoha mifantoka amin’ny hisian’ny fampandrosoana maitso eto Madagasikara. Nandray anjara tao ny ankamaroan’ny mpisehatra avy amin’ny fanjakana, ny tsy miankina, ny manampahaizana ara-toekarena sy ny ara-tontolo iainana eto an-toerana sy avy any ivelany. Nohaza­vain’ny filohan’ny Filankevi-pitantanana […]

FAPBM : Fifaninanana ho an’ny mpanao gazety

Mikarakara fifaninanana ho an’ny mpanao gazety ny Tahirim-bola ho an’ny faritra arovana eto Madagasikara (FAPBM). Miompana amin’ny fanadihadiana atao eny anivon’ireo faritra arovana miisa 75 tohanan’ny FAPBM, amin’ny 125 misy eto Madagasikara, ny fanadihadiana. Mizara efatra ny karazana sehatra fanaovan-gazety afaka mandray anjara. Ny gazety an-tsoratra, ny televiziona, ny radio […]

Toekarena manga : Hampiakarina 1 300 taonina ny drakaka velona haondrana

Hampitomboina ny vola vahiny miditra eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fampakarana ny drakaka haondrantsika any ivelany. “Ampitomboina 10% ny tahan’ny drakaka velona haondran’i Madagasikara amin’ity taona ity, izany hoe, 1 300 taonina (t)”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Chan Kit Waye. Tanjona, hoy izy, ny hampitombo […]