Taorian’ny famerenana ny latsa-bato, tanteraka soamantsara ny fifidianana izay ho filohan’ny ligin’Analamanga sy Matsiatra Ambony. Lany hitantana Andriantsiferana Ravaka ho an’Analamanga, ary Randrianarivahiny Dina kosa ny an’i Matsiatra Ambony. Tontosa omaly, tetsy amin’ny ANS Ampefiloha, ny fifidiananana izay ho filohan’ny Ligin’Analamanga, taranja tsipy kanetibe. Lany hitantana izany, mandritra ny efa-taona […]
Taratra
FANTINA sy FINTINA
Hisy fahabangan-toerana maharitra ny Antenimierandoholona noho ny fanafoanana ny fifidianana loholona, tokony hatao amin’ity volana ity. Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, fa miandry ny fanapahan-kevitry ny fikaonandoha ny momba izany. « Afaka miantsoroka ny asan’ny loholona koa anefa ny Antenimierampirenena », hoy izy. Hentitra Raharimanana Patrick. Tsy tokony ho fitaovana hamelana ireo […]
Fiaraha-miasa amin’i chine : Ho fanatsarana ny fiainam-bahoaka ny Sinoa
Mikendry ny hanamafisana ny tombontsoa ara-drariny, hanatsarana ny fiainan’ny vahoaka, ary hanohana ny fanatanterahana miaraka ny tetikasa “ Ceinture et route” ny fiaraha-miasa vaovao eo amin’i Chine sy i Madagasikara. Naneho fahavononana amin’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena sy ny tanin’ny firenena ry zareo Sinoa. Nivoitra ireo tamin’ny nandraisan’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël […]
Tomponandraikitra feno
Vao misintakakely ny renivohitra dia miova tanteraka ny zava-drehetra. Tsy misy aloha hatreto raha ny lalam-pirenena miala an’Antananarivo ka mampazoto ny handeha aminy. Tena ny lavaka sy ny fota-drevo no namana. Mihontsakontsana tsara ny tsinay, ny aty, vavony. Manginy fotsiny ny fahasimban’ny fitaovam-pitaterana. Raha atao indraimbava dia faharavana tanteraka. Ny […]
Fihaonana tamin’ny governemanta: Manahy ho voailika amin’ny fanavaozana ny Gen Z
Nifanakalo hevitra tamin’ny governemanta ireo fikambanana tanora sasany, omaly. Nahitana ny avy amin’ny « Collectif du mouvement Gen Z Madagascar », ka anisany ny Gen Z Mada, Gen Z Ankatso, Polytéchnique, Tolombahoaka, Assedu-Mada ,Taninjanaka Free. Nanao fanambarana izy ireo taorian’izany fa mitaky ny sata mazava hifehy ny Tetezamita ifanarahana sy eken’ny rehetra. […]




