Taratra

Orange solidarité : Vehivavy 109 nahazo mari-piofanana

10 taona ny hetsika fanohanana ny fizakan-tenan’ny vehivavy miaraka amin’ny orinasa Orange, amin’ny alalan’ny fikambanana Orange solidarité Madagascar. Maro ny fandaharanasa mifototra amin’ny fampiroboroboana ny fahaiza-manaon’ny vehivavy sy ny zatovovavy ahafahany mivelatra ara-toekarena sy ara-tsosialy. Nisy ny famoahana ireo vehivavy manana fahasembanana na­havita fiofanana teny anivon’ny Maisons digitale d’Anala­manga, eny […]

Tsiroanomandidy-RN1bis : Taksiborosy nivadika, olona efatra naratra

Mpanao gazety sy dokotera ny roa tamin’ireo olona efatra naratra nandritra ny lozam-pifamoivoizana tao Mahatsinjo, kaominina Tsiroanomandidy, ny alin’ny alarobia 18 marsa lasa teo. Potika tanteraka ny fiara. Olona miisa efatra naratra taorian’ny lozam-pifamoivoizana tao amin’ny tao Mahatsinjo, kaominina Tsiroanomandidy, ny alarobia 18 marsa lasa teo, tamin’ny 10 ora alina. […]

FANTINA sy FINTINA

Miantso ny Praiminisitra hanao ho laharam-pahamehana ny sosialiam-bahoaka, indrindra ny jiro sy ny rano, ny Corps des sous officiers des forces des armées de Madagascar (Cosofam), araka ny fanambarany, afakomaly. Tokony hifantoka tanteraka amin’ ny fampandrosoana ny vahoaka ireo ho minisitra, fa tsy hitady tombontsoa manokana. Nihaona tamin’ny filohan’ny Ceni […]

Fitantanana : “Vola 3 811 miliara Ar ny volam-panjakana very”

Tsy fangaraharana, fanaovana ampihimamba, gaboraraka, ady tombontsoa… Ireo no anisan’ny mahavery ny volam-panjakana eo amin’ny fitantanana vola sy fitaovana ary olona, araka ny tatitra ny taom-pitantanana 2021-2025, nataon’ny eo anivon’ny Fitsa­rana momba ny kaonty teny Anosy, afakomaly. Mahatratra 3 811 miliara Ar ny volam-panjakana very. Midika fahafatesana izany, raha ny […]

Hafakely

  Tena hafa raha samy hafa tokoa aloha ilay fitondram-panjakana. Tena manao ara-bakiteny! Sambany misy izany fitiliana lainga na “détecteur de mensonge” izany eto Madagasikara. Ireo ho minisitra aloha no misantatra izany. Tsy diso safidy mihitsy ilay Filoha sy ny mpiara-miasa aminy. Ireo mpanao politika malagasy manko dia rainilainga na […]