Taratra

Talatamaty : Mpitondra moto saika notetezin’ny kamiao

Lehilahy nitondra moto scooter tra-doza teny amin’ny lalam-baovao mampitohy an’ Ambohitrimanjaka sy Andra­notapahina, teo amin’ny An­kadivory, kaominina Talata­maty, afakomaly. Nandeha irery tamin’ny moto, nivilavila io lehilahy io. Tsy nahafehy ny familiana intsony ka nidona tamin’ny sisin’arabe. Poa toy izay, nipitika ilay mpitondra moto ary saika nifatratra tany ambanin’ny kamiao iray […]

Nisoloky vola 15 tapitrisa Ar : Lehilahy voasambotry ny polisy

Notanana am-ponja, omaly, miandry ny fotoam-pitsarana azy, ny lehilahy iray tratra nisoloky vola an-tapitrisany, tao amin’ny kaominina Ambondromiditra, faritra Amoron’i Mania. Nitrangana fisolokiana ny renim-pianakaviana iray, tao amin’ny tanànan’Ambondromiditra, ny volana novambra lasa teo. Norebireben’ny olon-dratsy io ramatoa io. Nakany vola mba hampiasaina amin’ny asa hahazoana lelavola. Nanome lelavola 15 […]

Tsipy kanetibe : Tsy vita ny fifidianana ho an’ireo ligy roa

Roa tamin’ireo ligim-paritra tsipy kanetibe miisa 7 na­na­ovana fifidianana ho filohany, ny sabotsy lasa teo, no tsy tan­teraka. Anisan’izany ny an’Ana­lamanga sy Matsiatra Am­bony. Ireo ihany koa no hany nisy mpifaninana roa. Raha ho an’Analamanga manokana, tsy nanaiky nanaovana ny fandatsaham-bato ireo filo­hana klioba, tetsy amin’ny ANS Ampefiloha. Voatery niroso […]

SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina nanomboka ny sabotsy teo, teny amin’ny Kianjan’ny CFFA Andoharanofotsy, ny lanonam-panokafana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Ana­lamanga, taranja baolina kitra. Nisy ny diabe sy ny lalao ara-pirahalahiana izay nihaonan’ireo mpanazatra tamin’ ny mpanao gazety. Marihina fa hisy ny fifanintsanana ho an’ny ankizy mandritra ity taom-pilalaovana ity. Mandalo fitsaboana eny […]