Nikatona tanteraka ny “Madagaslam Festival 2025”. Ankoatra ireo ny fampahafantarana an’i Ma Fia, izay tompondakan’i Madagasikara, nandritra ny “Slam national” andiany faha-16, efa fantatra koa ireo mpandresy tamin’ny sokajy hafa. I Mariah Danielle teo amin’ ny sokajy “Slam media kids”, i Sedra nandresy tao amin’ ny sokajy “Slam Media open”, […]
Taratra
Fizarana fahalalana amin’ny kolontsaina : Mitady ny maimaimpoana hatrany ny Malagasy
Mbola tena mafy ny fifandresen-dahatra! Mila omen-kasina ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. Tsy izay, anefa, ny zava-mitranga fa mitady ny maimaimpoana hatrany ny Malagasy. « Izahay te hianatra mitendry valiha, milalao fanorona, hahay sikidy sy fanandroana, sns. Saingy, misy sarany avokoa ny fianarana ireny… Tsy aleo ve atao maimaimpoana », […]
Andrarezin’ny vazo miteny : Hisy ny “Pao-tsatroka ho an’Ifanihy”
Tsy misy adihevitra, fa Ifanihy no anarana akaiky indrindra raha vao hoe “vazo miteny”. Misy ireo zandry novolavolainy, hanolotra pao-tsatroka ho an’ity mpanakanto ity. “Omeko tsy omeko”, “Lemena”, “Mpiasan’ny voirie”, sns. Tany amin’ny fiandohan’ny taom-polo 80 tany no efa nampisongadina ireo hira ireo. Mpamorona iray, mahay milalao ny teny hifanaraka […]
FANTINA sy FINTINA
Tokony hanapitra ny fe-potoam-piasan’ny filoha teo aloha, Rajoelina, ny filoham-panjakana amin’izao fotoana izao, araka ny fanehoan-kevitry ny eo anivon’ny Panorama. « Mametraka ny drafitry ny fanovana notakiana hatramin’izay izy ireo amin’izany. Tsy maintsy hirosoana ny fanatsarana ny tokotanim-pifidianana», hoy izy ireo. Hentitra ny minisitry ny Fanajariana ny tany, ny Jly Lylyson René […]
Minisitra Razafimanantsoa Hanitra : “Handeha any amin’ny Repoblika V isika”
“Araka ny takin’ny hetsi-bahoaka, hisy ny fanovana lalàmpanorenana. Handeha any amin’ny Repoblika V isika. Hiadian-kevitra amin’ny fikaonandoham-pirenena izany. Toy izany koa ny lalàm-pifidianana. Eo koa ny momba ireo andrimpanjakana rehetra manahirana: ny Ceni, ny HCC “. Io ny fanazavan’ny minisi-panjakana misahana ny Fanavaozana, Me Razafimanantsoa Hanitra, tao amin’ny fandaharana manokana, […]




