Taratra

SOMBIM-BAOVAO

Efa manomboka mahazo volontany ao amin’ ny klioban’ny AL Merriekh SC, ny Malagasy mpilalao, i Nicolas sy i Fenohasina. Tompon-toerana izy miraha­lahy nandritra ny lalao nihaonan’ity klioba ity tamin’ny Rutsiro. Nandresy tamin’ny isa 1 no ho 0, ny ekipandry Feno sy Nicolas, tamin’izany, ary mitombo hatrany ny fahatokisan’ny mpanazatra azy […]

Baolina kitra –D2 Nasionaly : Fantatra ireo klioba tafiditra “Poule des As”

Notontosaina omaly, teny amin’ny Kianjan’­Ambohi­dra­trimo, ny andro faran’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Poule des As”, ho an’ny diviziona faharoa nasionaly. Fan­tatra avokoa ny anaran’ireo klioba roa hiatrika ny dingan’ny famaranana ho an’ireo ekipa mifanintsana eny Ambo­hidratrimo. Tafita amin’izany ny TGBC Atsinanana sy ny Clinique Zanatany Sofia. Ankoatra azy roa […]

“Can 2025” : Anisan’ireo hitsara lalao i Dimby

Namoaka ny anaran’ireo mpitsara hitantana ny lalao amin’ ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra (Can 2025), ny Kaonfederasionina afrikanina, ny 1 desambra lasa teo. Fihaonana hotanterahina any Maroc, ny 21 desambra 2025 – 18 janoary 2026, izao. Manana solontena amin’ izany ny Malagasy, amin’ny alalan’Andriatianarivelo Dimbi­niaina. Tsy […]

“Cours des dirigeants sportifs”: Mpiofana 24 nahazo mari-pankasitrahana

Tontosa nandritra ny 3 andro, nanomboka ny 1, nitohy hatramin’ny 3 desambra lasa teo, teny Ivandry, ny fiofanana mahakasika ny fitantanana ny fanatanjahantena na “Cours des dirigeants sportifs “, andiany faha-21. Mpiofana 24 no nahavita izany ka nandray ny mari-pankasitrahana, ny alarobia 3 desambra teo. Zava-dehibe ny fahafantarana ny lalàna […]

INDRAY MIJERY

Ao anatin’ny 16 andro hiadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy isika izao. Fantaro fa azo antsoina ny laharana maitso 930 ho fitarainana sy hanaovana fanairana sy fitorohana ho an’ireo iharan’izany na ireo mahita tranga herisetra. Miseho amin’ny endriny maro ny herisetra na fampijaliana. Manaraka fiofanana ireo mpitambolan’ny kaominina […]