Taratra

Hafa ihany ny tsy mivadika

  Mitohy ny tantara. Ny teo ihany no mifamadibadika. Iza no manampo fa miverina tsikelikely ny tantara. Mbola tafaverina amin’ny heriny ny Arema na dia amin’ny endriny vaovao aza. Samy amin’ny kajy politika ny rehetra fa hafa raha samy hafa tokoa ny olon’izany amiraly na « deba » izany. Tsy nivadika sy tsy […]

Ramanantsoa Harilala: “Hajaina ny fanjakana tan-dalàna sy ny andrimpanjakana”

Nanao veloma ny mpiara-miasa taminy, omaly, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo teo aloha, Ramanantsoa Harilala. Teny amin’ny Lapan’ny Tanàna, Analakely, no nanatanterahana izany. Manamafy ny fanajana ny didim-pitsarana izy. “Ekeko am-panajana tanteraka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Filankevi-panjakana, satria tafiditra ao anatin’ny fitandroana ny fanajakana tan-dalàna. Ao anatin’ny demokrasia sy ny fanajana ny lalàmpanorenana […]

TSELATRA

Lehilahy iray voasambotry ny polisy tetsy Ambohidahy, ny alakamisy 12 marsa 2026, lasa teo. Tratra nangalatra sy nanimba fananana iombonana teny an-toerana izy io. Nongotan’ity lehilahy ity tamin’ny andro atoandro, ny sarona dalle iray tetsy Ambohidahy. Tratran’ny polisy izy ka nosamborina avy hatrany. Efa miatrika fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny polisy […]

Fiara Starex niharan-doza: Mpandeha efatra niara-maty, efatra hafa naratra

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizan’aina olona indray teny amin’ny lalam-pirenena RN1 Bis, tao Ma­hatsinjo Tsiroanomandidy, omaly maraina tamin’ny 5 ora. Fiara Starex iray, no niharan-doza tampoka teny an-dalana. Olona valo no tao anatin’io fiara io. Vaky tampoka ny kodiaran’ny fiara rehefa tonga teo amin’ny sampanana hiditra an’i Mahatsinjo ka tsy nahatana ny […]

Nanendaka vehivavy mitaiza kely : Lehilahy iray niharan’ny vono tetsy Vontovorona

Olon-dratsy iray, 40 taona, niharan’ny fitsaram-bahoaka tetsy Vontovorona, omaly maraina, ka naratra mafy. Avy nanendaka vehivavy iray (30 taona) mitaiza kely, tao amin’ny faritry ny sekoly ity farany. Naheno vehivavy niantso vonjeo teny andrefan’ny faritry ny oniversite ireo mpianatry ny Sekoly polyteknika (ESPA), omaly, tamin’ny 05 ora maraina. Nifanenjehan’ireto farany […]