Lasibatry ny andian-jiolahy ny fianakaviana miisa telo samihafa, afakomaly, teny Ampangabe Ambohidratrimo. Vehivavy roa maty, notifirin’ny olon-dratsy. Vola telo tapitrisa Ariary no voalaza fa very. Tsy mitsaha-mirongatra ny fanafihana tokantrano ataon’ireo olon-dratsy tato ho ato. Notafihin’ny jiolahy am-polony indray ny tokantrano miisa telo, tetsy Tsaramasoandro, fokontany Soamanjaka Avaratra, kaominina Ampangabe, […]
Taratra
Tsipy kanetibe - “Grand open de Mada” : Hotolorana 2 tapitrisa Ar izay voalohany
Hanomboka ny taom-pilalaovana ny Fédération sport-boule de Madagascar (FSBM). Fifaninanana misokatra ho an’ny rehetra no hisantarana izany. Handray anjara amin’izany avokoa ireo mpilalao rehetra. Hahazo lelavola izay laharana voalohany. Hotontosaina eny amin’ny Kianja Soamandrakizay, Androhibe, rahampitso sabotsy 14 sy ny alahady 15 marsa ho avy izao, ny fanombohana ny taom-pilalaovana […]
TARATRY ny KANTO
Silo sy ny zoma faha-13… Izay mpankafy azy hatramin’izay dia mahalala fa anisan’ny daty tena tian’i Silo hihaonana amin’izy ireo ny zoma faha-13. Milatsaka indray izany androany, ka ao amin’ny Piment Café ny fotoana, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Fotoana fanehoan’i Silo ny talentany rehetra, na amin’ny fitendrena […]
Fahasalaman’ny reny sy ny zaza : Hiara-miasa ny Unicef sy ny fondation Akbaraly
Nanao sonia fiaraha-miasa ny fondation Akbaraly sy ny Unicef hanatsarana ny fisitrahan’ny vehivavy sy ny ankizy tolotra fahasalamana eto Madagasikara. Haharitra telo taona ny asa, hampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza sy hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra. Efa samy manana fahaiza-manao momba ireo ny roa tonta. Hanamafy ny rafitry ny […]
INDRAY MIJERY
Ahemotra ny datin’ny fanokafana ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora. Mampahafantatra ny fikambanan’ny tanora sy ireo mpiara-miombon’antoka ary ny olom-pirenena rehetra ny minisitera fa mitaky fametrahana rindrandamina vaovao mahomby ny fikarakarana izany fihaonambe izany. Ao anatin’ny fanomanana ny fanadinana bakalorea, niara-nidinika ireo mpisehatra amin’ny fanatanterahana ny fanadinana. Nitarika izany ny sekretera jeneralin’ny Mesupres. […]





