Tsy voatery ho Mpox rehefa misy mibontsimbontsina mivoaka eny amin’ny hoditra. Indraindray nendram-boalavo izany na kitrotro. Fotoana mampirongatra ny karazan’aretina ny mafana sy avy orana toy izao. Efa vanim-potoana mamarana ny orana isika izao, eto Madagasikara. Noho ny fiovaovan’ny toetry ny andro sy ny fiakaran’ny rano ary ny fiparitahan’ny loto […]
Taratra
TARATRY ny KANTO
Nisokatra omaly ny Ranty santatra «Premières traces… femmes visibles», an’i Nary Arthur. Fampirantiana ireo sanganasany manodidina ny vehivavy sy ny tontolony izy ity, ao amin’ny Ivokolo Lovasoa Antsirabe. Hosodoko miavaka, notsoingaina manokana hifanaraka amin’ny lohahevitra no hatolotr’i Nary Arthur, hatramin’ny 17 avrily izao. Hisy ny atrikasa izay hotarihina ho an’ireo […]
Kabary Malagasy : Dimy taona ny Takalo dinika amorom-patana
Taona 2026, feno dimy taona katroka ny «Takalo dinika amorom-patana», na ilay fizarana fahalalana momba ny tontolon’ny kabary, amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera « Zoom, fb). Ny foiben’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma maneran-tany) no tompon’andraikitra sy mpanatontosa ity hetsika iray ho fampivelarana ny kabary malagasy ity. Fantatra, omaly, araka ny fampitam-baovaon’ny […]
Misaona ny tontolon’ny mozika: Nodimandry i Zanny sy i Jean Olive
Vaovao ratsy ho an’ny tontolon’ny zavakanto. Nodimandry, ny alahady teo, i Jean Olive. Vao maraina koa, omaly, no fantatra fa lasa i Zanny. Samy mpanao mozika izy ireo. Maizina ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto, indrindra ny mozika. Nahazoam-baovao fa nodimandry ny alahady teo Ramaheninarivo Jean Olive, fantatra eo amin’ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Mahatratra 98,44 dolara ny vidin’ny iray barila (1b= 159 l) eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, omaly alatsinainy 9 marsa. Tsiahivina fa mbola 68 dolara/b ny vidiny tamin’ny volana feboary 2026 teo. Nidangana tampoka izany raha vao nanomboka ny ady eo amin’i Iran sy Israelianina ampian’ny amerikanina, ny faran’ny volana febroary teo. […]





