Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’ Antanimora, omaly, ireo olona efatra mianadahy, tratra nivarotra sy nidoroka rongony tetsy Anosizato. Rehefa avy nampiakarina fampanoavana teny anivon’ny fitsarana omaly ihany. Raha tsiahivina, tratra teo am-pifohana rongony teny Antandrokomby Anosizato, ny roa lahy (17 sy 22 taona) tamin’izy ireo. Nasain’ny zandary nanondro ny […]
Taratra
Moto sy fiara nifandona : Olona telo nitondra marary niara-namoy ny ainy
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ny lalam-pirenena fahadimy A, mampitohy an’Ambilobe sy Vohémar, omaly maraina tokony 10 ora. Olona telo nandeha tamin’ny kodiaran-droa tra-doza namoy ny ainy. Niseho teo amin’ny 50 km miala an’Ambilobe ny loza. Nifandona mafy teo amin’ny lalana anelanelan’Ambararata Loky sy Antanamivony, kaominina ambanivohitra Bitsiaka, Distrikan’ […]
FANTINA sy FINTINA
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika: tsy nandefa hafatra amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, ka nampilaza olona fa nahazo vola ho tosika fameno avy aminy. Vaovao tsy marina izany ary melohina tanteraka. Efa am-perinasa ireo sampana ara-pitsarana manao famotorana hahafantarana ireo […]
Antananarivo Renivohitra: Haverina ny fifidianana ben’ny Tanàna
Navoakan’ny Filankevi-panjakana eo anivon’ny fitsarana tampony, Anosy, omaly, ny didy momba ny fifidianana ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra. Mandidy ny hamerenana an’izay fifidianana ben’ny Tanàna izay ny fitsarana. Tsy manankery ny vato azon’ny ben’ny Tanàna, ankehitriny, Ramanantsoa Harilala. Manoloana izany, nanamafy ny mpisolovavan’ny kandidà Ravalomanana Tojo, mpifaninana aminy, fa nahomby ny […]
Andrasana ny fanavaozana
Araka ny hita sy re, novoizin’ny fampahalalam-baovao, nitondra fanamarihana mahakasika ny fanarenana an’i Toamasina ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika. Nangataka fanazavana izy amin’ny antony mampitarazoka ny fandehan-draha, iray volana aty aorian’ny faharavana. Sambany angamba no nisy manampahefana nahasahy niteny ampahibemaso ny fomba fiasan’ireo mpiantsehatra amin’ny fitantanana ny voina sy traboina. […]





