Lelavola mitentina 5 tapitrisa Ar no nomen’ny Yas Madagascar an-dRamamonjy Nomenjanahary, vehivavy mpitantana ny orinasa Mioty MJ, taorian’ny fifaninanana fandraharahana natokana ho an’ny vehivavy, ao anatin’ny fandaharanasa “Ampela Online”. Miisa dimy izy ireo no nahazo ny fankasitrahana, hoentina manohana ny tetikasany sy hampidi-bola bebe kokoa amin’ny fihariana ataony. Miompana amin’ny […]
Taratra
Saran’ny internet : Nitondra vahaolana fohy ezaka ny fitondram-panjakana
Nametraka vahaolana mahakasika ny hampihenana ny saran’ny internet eto Madagasikara ny fitondram-panjakana, taorian’ny dinika niarahan’ny minisitera sy ireo mpandraharaha mivondrona ao anatin’ny GTM. Tapaka taorian’ny fifampidinihana sy tolotra nentin’ireo mpiandraikitra ny tambazotra fa misanda 3 000Ar ny fisitrahana internet 1,1Go, 5 000Ar ny 2,5Go ary 10 000Ar ny 5,5Go. Tanjona ny hanome fahafahana […]
TARATRY ny KANTO
Nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra ny fampitana am-bava avy amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina momba ny asa efa natao mahakasika ny fametrahana daty tokana hankalazana ny «Taom-baovao malagasy ». Manokatra lalana mankany amin’ny fametrahana ny fankalazana ny nentin-drazana ho andro tsy iasana nefa andraisan-karama manerana an’i Madagasikara izany. Mbola maromaro […]
Orinasa Star : Vokatra vaovao ho an’ny fetin’ny faran’ny taona
Volonandro fety! Antomotra ny volana desambra, hanamarika ny Noely sy ny faran’ny taona. Miomana amin’izany sahady ny orinasa Star ka hamoaka zava-pisotro mamy, ny divay Valmont sy ny Caprice Noël ary ny labiera THB Noël. Karazana divay mena, avy any Espaina, ahitana tahan’alikaola ny Valmont, arotsaky ny orinasa Star Ambatolampy […]
Toamasina – « Metalscene Beasts » : Seho miaraka amin-dry Nocturnal sy Mania
Tontolon’ny mozika rock sy metaly. «Metalscene Beasts», fampisehoana hotanterahin’ny Nocturnal sy Mania, any Toamasina, ny alahady 30 novambra izao, manomboka amin’ny 3 ora sy sasany tolakandro. Ao amin’ny efitrano fanaovam-petin’ny sekoly Sacré Coeur, Tanambao no hanaovana izany. Nocturnal sy Mania, tarika roa anisan’ny manana traikefa matanjaka eo amin’ny fitondrana eny […]




