Tsy tana ny ain’ny ramatoa iray 64 taona sy ny zaza vao efa-bolana monja taorian’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, distrikan’Ambositra, ny 23 novambra lasa teo. Nitondra mpianakavy avy namonjy fahoriana tany amin’ny distrikan’Anjozorobe io fiara io. Nikasa hitodi-doha any Fianarantsoa izay tanàna fonenany izy ireo kinanjo tra-doza tampoka. Tafavoaka […]
Taratra
Antohomadinika: Jiolahy voasambotry ny polisy
Notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, ny jiolahy mpanao asa ratsy voasambotry ny mpitandro filaminana teny Antohomadinika. Nanao asa ratsy tao amina tokantrano iray ity olon-dratsy ity, ny herinandro lasa teo. Noraofiny, nandritra izany, ny entana sarobidy maromaro ka nanao fampahafantarana tamin’ny tambajotran-tserasera ny lasibatra. Voarakitra tao anaty horonantsary rahateo ny […]
La Réunion Kely : Lehilahy mpividy entana halatra, voasambotra
Voasambotry ny polisim-pirenena, tetsy amin’ny La Réunion kely, omaly, ny lehilahy iray, 34 taona. Mpandray sy mpividy entana halatra eny an-toerana izy io. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’ny fikarohana ireo mpiray tsikombakomba aminy. Niainga tamin’ny fitarainana nataon’ny olona iray ny nahazoana ity olon-dratsy ity. Tsiahivina, nitrangana vaky trano tetsy Ambohimirary, […]
Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS) : Hanangana efitrano fatoriana sy fiofanana
Toy ny isan-taona, notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny Imamba Soavimasoandro, ny fankalazana ny Andron’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny Rugby club tanora Soavimasoandro (RCTS). Notsiahivin’Andrianarisoa Avotra, filohan’ity fileovana ity fa efa miditra amin’ny andiany faha-13 izany amin’izao fotoana. Dingana manaraka ny fananganana efitrano fatoriana sy fiofanana. Tanjona ny hahamora ny fampivondronana […]
SOMBIM-BAOVAO
Mandeha ny resaka fa hatao aty Antananarivo ny fihodinanana faharoa ho an’ireo ekipa nifanintsana tany Mahajanga. Araka ny vaovao voaray omaly, efa nanome toky ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra fa hanome ilay vola 43 tapitrisa Ariary ho an’ireo mpitsara. Tsy manaiky ny hitsara ireo mpitsara any Mahajanga raha tsy voarain’izy […]




