Taratra

Hetsiky ny minisiteran’ny Mponina : Ezahin’ny fitondrana hahaleo tena ny vehivavy

Tsy an-kiato ireo hetsika samihafa tanterahin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, amin’ny alalan’ny minisitra, Raharinirina Sido­nie. Anisan’izany ny fampiofanana ny vehivavy sy ny zatovovavy ho an’ny tao Ambo­himahasoa, ny herinandro teo. Nifampizaran’izy ireo niaraka tamin’ny solontenan’ny minisitera sy ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga ny fandraisan’ny vehivavy anjara amin’ ny fampandrosoana ny faritra […]

Ady amin’ny VIH/Sida : Entanina ny mpianatry ny teknika

Ampahany lehibe amin’ny fanomezana fanabeazana sy fampiofanana kalitao ho an’ny mpianatra ny fampiofanana ara-pahasalamana. Anisan’izany ny fanentanana sy fiarovana amin’ny VIH/Sida, aretina mbola mitombo hatrany amin’izao fotoana izao. Tontosa ny volana oktobra teo, nandritra ny hefarana, ny fiofanana ho an’ireo mpianatra JPE tao amin’ny LTP Toliara sy ireo mpanabe ao […]

Ankizy 400 tapitrisa miaina anaty fahantrana : Mila mametraka politika mahomby ny fanjakana

Ambony ny ambana hidiran’ny ankizy maro anatin’ny fahantrana noho ny fampihenana ny vola fanampiana natokana hampiasaina hiarovana azy ireny, maneran-tany. Maherin’ny 400 tapitrisa ny zaza miaina anaty fahantrana ka tsy afaka mahazo sakafo sahaza sady tsy midio araka ny filana andavanandro, araka ny tatitra navoakan’ny Unicef tao anatin’ny fanamarihana ny […]

TARATRY ny KANTO

Nodimandry teo amin’ny faha-81 taonany i Jimmy Cliff. Mpanakanto jamaikanina, anisan’ny nanan­dratra voalohany ny mozika nampiavaka ny fireneny, ary lasa mpankanto malaza iraisam-pirenena nandritra ny taona maro. Vokatry ny aretin-tratra efa an-taonany maro no voalaza fa nitarika ny fahafatesany. Maro ireo hiran’i Jimmy Cliff mitoetra mandrakizay, toy ny “Many Rivers […]

Tontolon’ny literatiora: Tafatsangana ny « Akanga tsara soratra »

Fantatra omaly, fa niorina ara-panjakana ny fikamba­nana « Akanga tsara soratra » ka any Mahafaly, Vatofotsy Antsi­rabe, ny misy ny foibeny. Ny tontolon’ny literatiora no iangalian’ireo mpikambana ao aminy, ahitana mpanoratra, poeta, mpihira, mpanao slam, mpikabary, mpilalao tantara, mpanao teatra, sns. Tanjon’izy ireo ny hampitombo hasina ny literatiora malagasy izay maratran’ny fanantontoloana […]