Taratra

Federasionina Muay thai : Mampirisika ny klioba hikarakara fifaninanana

Tonga nanotrona ny “Muay Thai Tournament 3”, natao tany Toamasina, ny alahady lasa teo, ny filohan’ny Federa­sionina malagasin’ny Muay Thai, Rakotoalizao Hainatiana Gervais. Nidera sy nankasitraka ity fifaninanana ity izy ary nilaza fa fampiroboroboana ny taranja no atao ka mendrika halain-tahaka. Nampirisika ihany koa ireo klioba hafa hikarakara fifaninanana toy […]

Tsipy kanetibe – Tompondakan’i Afrika : Hiatrika ny ampahefa-dalana «tir de précision» i Mamy

Mametraka ny anarany atsy Afrika ny ekipa malagasy miatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy. Porofon’izany, tafita hiatrika ny lalao ampahefa-dalana eo amin’ny fifaninanana mitifitra «tir de précision» i Mamy Ronaldinho. Omaly vao niditra an-tsehatra ny ekipa mala­gasy eo amin’ny fia­diana ny ho tompondakan’i Afrika, […]

Lehiben’ny fonjan’i Mananara Avaratra : Naiditra vonjimaika am-ponja ao Maroantsetra

Nipoitra ihany ny nafenina sy ny firaisana tsikombakomba amin’ny jiolahy mpamerin-keloka izay nahatonga ny fiakaran’ny tahan’ny tsy fandri­ampahalemana tao Ma­nanara Avaratra, faritra Am­batosoa. Nifarana amin’ny fampidirana vonjimaika am-ponja ny lehiben’ny fonjan’i Mananara Ava­ratra izany, dia i Boto Elvis. Raha tsiahivina, nisy fanafihana mitam-piadiana Cash point nitranga tao amin’ny fokontany Andraokaraoka, […]

Fikaonandoham-pirenena : Mitaky ny hanadiovana ny tokotany ny Panorama

Tsy an-kiandriandry. Efa nanomboka ny fikaonandoha, amin’ny alalan’ny dinika Santatra, ny eo anivon’ny Paikady anorenana ny rahampitson’i Madagasikara (Panorama), natao teny Itaosy, ny herinandro teo. Anisan’ny voaresaka ta­min’izany ny momba ny fanadiovana ny toko­tany, mialoha ny fifidianana. Tafiditra ao anatin’izany ny lalàm-pifidianana  tokana amin’­ny alalan’ny fanavao­zana ifotony ny fitantanana izany. Eo […]

INDRAY MIJERY

Hisy fandidiana maimaimpoana hydrocèle (Voa Be), hernie, ary famorana hatao ao Ambilobe, ny 25-29 novambra; ao Sambava, ny 1 ka hatramin’ny 4 desambra ary ao Antalaha, ny 5 ka hatramin’ny 9 de­sambra. Mikarakara ny hetsika ny fikambanana Fitefa. Afaka mangataka fanazavana sy misoratra anarana amin’ny laharana 032 44 119 20 ireo […]