Taratra

Sehatrasa taovolo : Mpiadina 332 niatrika fanadinana

Natao ny 12 novambra lasa teo, tao amin’ny LTP Ampe­filoha, ny fanadinana an-tsoratra ary notohizana ny ampitso ny fanadinana fampiharana izay notanterahina teny amin’ny ivontoeram-pampiofanana manokana momba ny taovolo. Ta­fi­ditra ao anatin’ny Formation professionnelle qualifiante (FPQ) ireo fanadinana ireo. Mpiadina 332 no nandray anjara, avy amin’ny faritra Ana­lamanga, Vakinankaratra, Matsiatra […]

Politikam-pirenena ho an’ny tanora: Hisy ny fakan-kevitra amin’ireo vondrona sy fikambanana

Omena sehatra hiteny ny tanora mandritra ny fihaonana hatao eny amin’ny QG Ankorondrano, amin’ity herinandro ity. Ao amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Ambohi­ja­tovo, varavarana faha-3, ny fisoratana anarana ho an’ireo tanora maniry ny handray anjara amin’ny fanehoan-kevitra ma­hakasika ny politikam-pirenena ho an’ny tanora. Hetsika iarahana amin’ny fanjakana izy ity. […]

TARATRY ny KANTO

Hiverina ny fandaharana « Torak’Hehy ». Vaovao lehibe ho an’ny mpankafy an’ity fandaharana mampihomehy sy mampiala voly, nampalaza ny fahitalavitra TVM tamin’izany fotoanany ity, izany. Ry zalahy ao amin’ny tarika Fou Hehy no nampiaina ny fandaharana « Torak’Hehy », izay naka endrika tantarakely mampihomehy, mandeha isan’andro. Enjehin’ny mpianakavy mihitsy ny lera handehanan’ny fandaharana taloha, […]

Ranjatohery Harilala : «Aleontsika mitomany randrana manendrika ny hafa»

Nandritra ny fanokafana ny fankalazana ny faha-62 taonan’ny Fikambanan’ny mpi­kabary malagasy maneran-tany no nanatanterahana ny velakevitra: « Ny soatoavina malagasy sy ny fanatontoloana ». Foto­ana nanehoan-dRanjatohery Harilala, akademisianina sady mpahay tantara, ny heviny. « Manana soatoavina mampiavaka antsika Malagasy isika. Tahaka ny fihavanana izay ventesintsika mandrakariva. Mazàna anefa no toa tsy omentsika lanja […]

Rohin’ny boky: Mila matihanina ireo mpisehatra

Miaina, saingy marefo ny tontolon’ny boky eto Madagasikara. Ho fanatrarana ny tanjona, mila miroso mankany amin’ ny maha matihanina kokoa ireo mpisehatra rehetra anatin’ny rohin’ny boky. «Ny rohin’ny boky sy ny satan’ireo matihanina eto Mada­gasikara». « Ny fanentanana momba ny varotra boky ». Ireo no lohahevitra roa, niompanan’ny fampiofanana sy ny fizarana […]