Taratra

Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy tondrozotra fa tatitra no hatolotra ny Sadc”

Andrasana anio ny fanolorana an’ny Sadc ny tondrozotran’ny fitondrana. Nanazava ny filohan’ny Fanavaozana fa tsy tondrozotra no hatolotra fa tatitry ny dingana vita tao anatin’ny efa-bolana sy izay hatao aorian’ny fihaonana… “Ny tsara marihina sy apetraka manomboka izao, tsy tondrozotra araka ny eritreretin’ny sasany”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Fanavaozana ny […]

TSELATRA

Lehilahy roa mpamaky fasana, maty voatifitry ny zandary, ny alin’ny 26 febroary lasa teo. Iray hafa azo sambo-belona. Tratra teo am-pamakiana fasana iray tany Ambohibololona, kaominina ambanivohitra Tsiafahy, ny dimy lahy. Tonga teny an-toerana ny zandary ary raikitra ny fifanjevoana. Tafaporitsaka ny telo ambiny. Tratra teny amin’izy ireo ny taolam-paty […]

Toamasina : Miaramila namoy ny ainy

Maty nandritra ny fanatanterahana ny asany, manampy ireo traboina ao Toamasina, ny miaramila iray, omaly. Hitatitra vary omena ireo traboina amin’ny kaominina hafa ao an-toerana io miaramila io. Tra-doza tampoka tao amin’ny fokontany Ambo­nivato, kaominina ambanivohitra Antetezam­baro. Nisasa maraina tamin’ny rano tao amin’ny tetezan’ Ambanivato izy kanjo niakatra tampoka ny […]

Nihotsahan’ny trano: Namoy ny ainy ny zaza telo taona sy ny reniny

Namoy ny ainy tao anatin’ny indray mipi-maso ny renim-pianakaviana sy ny zanany vavikely vao telo taona. Tavela tao anatin’ny trano nirodana tampoka izy ireo, omaly maraina, tany Ampihadiamby . Namoizana ain’olona indray ny fihotsahan’ny trano tao amin’ny fo­kontany Ampihadiamby, kaominina Ambositra Renivohitra, omaly. Nihotsaka ny rihana ambony tamin’ilay trano lehibe […]