Tonga eto Madagasikara ny Creskèr hanampy ireo mpandraharaha hampivelatra sy hampiroborobo ny orinasany amin’ny alalan’ny fandaharanasam-panofanana. Tanjona ny hanohanana ireo mpandraharaha manana andraikitra stratejika amin’ny fampivoarana ny orinasa hahafahany mandinika sy miatrika ny zava-misy sy hanamafisana ny fahaiza-manaony amin’ny andraikitra sahaniny. Tetikasa izay nampahafantarina tetsy amin’ny Novotel Ivandry, ny alakamisy […]
Taratra
Banky AFG sy NIM: Fiaraha-miasa manakaiky ny mpanjifa
Sambany! Voalohany eto Madagasikara no nisian’ny fiaraha-miombon’antoky ny samy mpisehatra amin’ny tontolo ara-bola. Nampahafantarina omaly, ny fiaraha-miasan’ny banky AFG sy ny Ivontoerana sampandraharaha ara-bola madinika vaovao (NIM). Nilaza ny tale jeneraly (DG) ny NIM, Harizaka Rakoto, fa zava-baovao tokoa ity fiaraha-miasa ity. Mifameno ireo, koa, azo atao ny mikirakira vola […]
Siansa ara-pambolena: Hampitombo voka-bary 2 tapitrisa taonina fanampiny
Nihaona tamin’ny governemanta sy ny Banky iraisam-pirenena eto amintsika ireo tale jeneraly avy amin’ny ivontoeram-pikarohana ara-pambolena CGIAR. Nojerena ny paikady ahafahan’ny fikarohana ara-tsiansa manampy amin’ny fomba famokarana ara-pambolena sy ny rafitra ara-tsakafo. Nandray anjara tamin’ny atrikasa siantifika, natao teny amin’ny Oniveristen’ Antananarivo, ny 26 febroary teo, ireo Tale jeneraly (DG) […]
FANTINA sy FINTINA
Firenena efa niara-niasa hatramin’izay i Madagasikara sy i Frantsa, araka ny nambaran’ny filoham-panjakana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fahatongavany teny Ivato, afakomaly alina. Efa manana tantara iraisana koa hatramin’izay… Mitohy ny fiaraha-miasa. Nangatahin’ny Malagasy hatramin’izay ny fanavaozana ny fiaraha-miasa mba hahazoan’ny Malagasy tombony. Manohana sy mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny […]
Randrianirina Jean-Ignace : “Tsy mitovy tamin’ny 2009 ny tondrozotra amin’ity”
“Tamin’ny 2009, nazava hoe fizarana seza ny tondrozotra. Nisy ankolafy nampihavanina. Eo izany ny fandaminana ny fitantanana ny fitondrana amin’ity, tsy misy hampihavanina”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha mpiara-mitantana ny antoko MFM, Randrianirina Jean-Ignace, manoloana ny resabe etsy sy eroa ny amin’ny hoe fisiana tondrozotra amin’izao fitondrana izao. Ny tondrozotra […]





