Mahatratra 800 000 taonina (t) ny filan’i Madagasikara amin’ny fanafarana vary amin’ity taona ity. Fanafarana ambony indrindra nataontsika tao anatin’ny taona maro. Marihina fa mitentina 924,5 miliara Ar ireo vary milanja 607 000 t nafarantsika nandritra ny telo volana voalohan’ity taona ity. Ambany ny famokarana eto amintsika ka tsy tratra avokoa ireo […]
Taratra
Orange Madagascar : Manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka
Notanterahina ny alarobia lasa teo, tetsy amin’ny Gara Soarano, ny hetsika “Supplier Day”, andiany faharoa. Fotoan-dehibe ihaonan’ny Orange Madagascar amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy manodidina ny 200. Tanjona iombonana ny hanamafy ny fifandraisana, hifampizara traikefa ary hanatratra miaraka ny vina apetraky ny Orange Madagascar. Mpiara-miombon’antoka stratejika ho an’ny orinasa ireo mpiara-miasa aminy […]
Fandraharahana: Hatsangana eto amintsika ny FNDI
Miantoka ny fampandrosoana ny toekarena ny indostria noho izy mamorona asa sy mampidi-bola ho an’ny firenena sy ho an’ny tsirairay. Antony indrindra hirosoana amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana mba hizoran’ny firenena mankany amin’ny fampandrosoana maharitra. «Hatsangana tsy ho ela ny tahirim-bola nasionaly hatokana ho fampandrosoana ny indostria» (FNDI), hoy ny minisitra […]
Vokatra fanondrana : Haverina amin’ny laoniny ny tanjaky ny lavanila
Miandrandra fanatsarana ny vidin’ny lavanila ireo mpisehatra taorian’ny fanafoanan’i Etazonia ny haba 15% amin’ity vokatra ity ka hamerenana amin’ny laoniny ny tanjaky ny lavanila malagasy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ny alahady teo, nanazava ny antony nampiiba ny vidim-bokatra ny kolonely Randrianirina Michaël, filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara (PRRM), tao amin’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Hatolotry ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama ny Antenimierampirenena, anio, ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Hifandraika amin’ireo fototry ny fanavaozana izany: fanamafisana fahaiza-manao sy ny fangaraharana, ny ady amin’ny kolikoly sy ny fahalovana, fiantohana ny maha repoblikanina ny andraikitry ny Foloalindahy, famolavolana rijanteny fototra hitantanana ny Repoblika vaovao, fanomanana fitsapankevi-bahoaka… Raha hanao […]




