Taratra

Nihotsahan’ny trano: Namoy ny ainy ny zaza telo taona sy ny reniny

Namoy ny ainy tao anatin’ny indray mipi-maso ny renim-pianakaviana sy ny zanany vavikely vao telo taona. Tavela tao anatin’ny trano nirodana tampoka izy ireo, omaly maraina, tany Ampihadiamby . Namoizana ain’olona indray ny fihotsahan’ny trano tao amin’ny fo­kontany Ampihadiamby, kaominina Ambositra Renivohitra, omaly. Nihotsaka ny rihana ambony tamin’ilay trano lehibe […]

Dika vilana : Mila ovaina ny « kolontsaina »

Mifangaro voraka ? Re­hefa inona no antsoina na sokajiana ho « kolontsaina » ? Mikolo ny saina tokoa ve ilay hitan’ny maso, ren’ny sofina, sns ? Manampy trotraka ny fampifangaroana azy io amin-javatra hafa toy ny zavakanto. Amin’izao vanim-potoana izao vao tazana mazava fa hamehana sy manana endrika petatoko ihany ny nametrahana ny anarana « kolontsaina », […]

INDRAY MIJERY

Nampahafantatra ny minisiteran’ny Faha­salamam-bahoaka fa efa tonga ny vaksiny BCG ary efa ao anatin’ny fitsinjarana azy ny ekipan’ny minisitera mpiahy. Hiparitaka amin’ireo tobim-pahasalamana mahazatra izany mba hisitrahan’ireo zaza ny fatram-baksiny ilainy. Natao ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny 11 volana ity vaksiny ity. Fampahafantarana ho an’ireo mpampanofa fahafinaretana ara-nofo momba […]

Ady amin’ny tazomoka : Hahitsy ny paikady nasionaly PSN 2023-2027

Manatanteraka atrikasa ho fanitsiana ny Paikady nasionaly hiadina amin’ny valanaretina tazomoka ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Pai­ka­dy enti-miasa ao anatin’ny efa-taona, 2023-2027, ity asiam-­panovana ity. Tanjona ny hanamafisana ireo asa tsara nahazoana vokatra sy hanitsiana ny tanjona ho tratrarina hatramin’ny 2030. Entina hanatsarana ireo lesoka hita ihany koa izany. Ankoatra izay, hamaritana […]