Taratra

Adin’ny samy mpanofa trano: Tompon-trano maty voatsatok’antsy

Nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Andranomadio, Tomasina, omaly. Nifamaly noho ny resaka fanitso ny samy mpanofa trano tamin’io fotoana io. Raha ny fantatra, niady ho samy tompon’ny tafon-trano izy ireo. Tsy nisy nanaiky fa nitohy tamin’ny fifamaliana sy fanompana ary lasa fifampikasihan-tanana izany avy eo. Raikitra ny totohondry sy fandraisana antsy teo […]

Anjiro : Lamanisina nivadika, olona roa namoy ny ainy

Namoizan’aina olona ny lozam-pifamoivoizana an-dalamby tao Anjiro, omaly maraina. Fihotsahan’ny tany tao ambany lalamby no niteraka ny loza. Nihotsaka tampoka ny tany tao ambany lalamby ka nitarika fivadihan’ny lamasinina teny amin’ny kaominina Anjiro, PK 77+750, omaly maraina ta­min’ny 2 ora sy sasany. Niainga avy ao Antananarivo io lamasinina io, araka […]

Fanampiana traboina ao Toamasina: Maro ny misafidy tsy handalo BNGRC

Manoloana ny fahataran’ny fitsinjarana ireo fanampiana voaangona eo anivon’ny BNGRC, betsaka ireo misafidy ny hivantana avy hatrany eny anivon’ny rafi-piarahamonina, araka ny fitsirihana na­taon’ireo vondrona tsara sitrapo. Ho an’ny 974, Gasy Mira­ry, avy antsy amin’ny Nosy rahavavy, La Réunion, nisafidy an’i Kalajila, mpanakanto, izy ireo hitarika ekipa manao fitsirihana isam-pokontany […]

Kardinaly Tsarahazana Désiré : “Tokony ho ao anatin’ny BNGRC ny fiangonana”

Hampirisihina ny fampidirana ofisialy ireo tomponandraiki-pivavahana ho anisan’ny mpiantsehatra ao amin’ny Ivontoeram-pandrindran’ny BNGRC ao Toamasina. Nisongadina izany ta­min’ ny fihaonan’ny arsevekan’ny diosezin’i Toa­ma­sina, ny kardinaly Tsa­ra­hazana Désiré, taorian’ny fi­haonany tamin’ny Praimi­ni­sitra Rajaonarivelo Herintsa­lama, teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, afakomaly, araka ny fampitam-baovao voaray omaly. Mba hanatevenana ny fiaraha-mi­asa amin’ny fanarenana ny […]

TARATRY ny KANTO

Nahemotra ny “Tsapiky Festivaly”, izay tokony ho notontosaina amin’ity faran’ny herinandro ity, any Toliara. Noho ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana ny antony hanemorana izany amin’io volana marsa io. Manampy izany ny fiombonam-po amin’ireo traboina any amin’ny faritra Atsinanana, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza, raha ny fanazavana avy amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny […]