Taratra

Lycée technique manerana ny Nosy: Mpianatra 13 nahazo vatsim-pianarana ho any Algerie

Efa lasa any Algerie ireo mpianatra 13 nahazo vatsim-pianarana taorian’ny fitsofan-drano nataon’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Tsilefa Antonio, azy ireo, ny herinandro lasa teo, teny Ampefiloha. Mpianatra 13 (vehivavy telo ary lehilahy folo) andiany voalohany no nalefan’ny minisiteran’ny Fam­­pianarana teknika sy ny fanofanana arakasa any Algerie. […]

TSELATRA

Efa hita omaly avokoa ireo olona enina nanao­vana fikarohana tamin’ny tambajotra an-tserasera. Tsy nahazahoana vaovao kosa ny antony tsy nahitana azy ireo. Marihina fa tsy hita popoka nanomboka ny sabotsy tolakandro teo, teto Antananarivo izy rehetra ireo. Nisy antso an-tariby nanafatra azy ireo ho any Anosiavaratra, ny sabotsy tamin’ny 9 […]

Haintrano tetsy Andavamamba : Rangahy iray may kilan’ny afo tao an-tranony

Nitrangana haintrano na­mo­izana aina indray tetsy amin’ny Cité Tanambao Anda­vamamba, Andavama­mba Anjezika II, boriborintany voalohany, omaly maraina ta­min’ny 10 ora latsaka fah­fany. May kilan’ny afo nandritra izany, ny lehilahy iray, manodidina ny 50 taona. Raha ny fanazavana voaray amin’ny mponina manodidina, mipetra-drery io rangahy maty io. Trano biriky nahitana efitra […]

Ady tany any Antsihanaka: Izay manana taratasy ara-dalàna no tompony

Nihaona tamin’ny mpitandro filaminana sy ny sampan-draharahan’ny fananan-tany tao Tangorona, ireo vondron’ olona milaza fa tompon-tany ara-dalàna any Antsihanaka, ny Alakamisy lasa teo. Nanamarina ampahibemaso ny tomponandraikitra fa izay manana taratasy ara-dalàna (bokin-tany na kara-tany) ihany no tompony sy afaka mamboly ary mioty ny vokatra aminy. ” Midika izany fa […]

Tsimbazaza : Ankizilahy fito taona, novonoina sy natsipy tao anaty lakandrano

Narian’ireo tsy mataho-tody tao anaty lakandrano iray tetsy Tsarafaritra Tsimbazaza ny fatin’i Miguel, ankizilahy kely vao 7 taona monja. Nahitana diam-pamaky miisa dimy tao amin’ny faritry ny lohany aoriana. Hita faty tao anaty lakandrano iray, tetsy Tsara­faritra Tsimba­zaza ny fatin’i Miguel, ankizilahy kely vao 7 taona monja, ny alin’ny zoma mankany amin’ny […]