Taratra

INDRAY MIJERY

Nitsidika ny ivontoeram-pampiofanana, LTP sy CFP Ampasampito, ny minisitry ny Fampianarana tek­nika sy ny fanofanana arakasa. Nidina ifotony nijery ireo efitrano fiofanana amin’ny sehatry ny Ouvrage métallique, informatique ary imprimerie. Mitana andraikitra lehibe amin’ny fananganana firenena matanjaka sy mandroso ireo ivontoeram-panofanana satria ao no hanomanana tanora ho olon-kendry, mahay ary […]

IPM: Malagasy nikaroka ny momba ny moka

Nampahafantatra ny fikarohana nandraisan’ireo Mala­gasy anjara ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM). Faman­­tarana ny niandohan’ny moka an-tanàn-dehibe mpitsentsitra ran’olombelona ao Londres no nanaovan’izy izany. Tambajotran’ny fikambanana sy manam-pahaizana iraisam-pirenena antsoina hoe PipPop (the Culex Pipiens PoPulation Genomics Pro­ect),­ miara-miasa amin’ny fikarohana lalindalina kokoa momba ny fivoaran’ity karazana moka ity, izy […]

JICA : Tanora malagasy 3 nisitraka vatsim-pianarana

Vatsim-pianaran’ny Jica, “SDG’s Global Leader” sy “ABE Initiative” no nositrahin’ny tanora malagasy 3 mianadahy, ny volana septambra teo. Mikendry ny hanofana Malagasy mpitarika mba hahavita mamolavola tetikasa azo hampiharina amin’ny olana mifandraika amin’ny fampandrosoana maha­ritra ny vatsim-pianarana “SDG’s Global Leader”. Ny “ABE Initiative” kosa natao hampitombo ny ny fahaiza-manao sy […]