Raha tsy misy ny fiovana farany, hiatrika lalao ara-pirahalahiana roa ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara. Tafiditra amin’ny “Fenêtre Fifa” hatao ny volana marsa ho avy izao. Hiatrika lalao ara-pirahalahiana roa ny Barea, mandritra ny “Fenêtre Fifa” amin’ny volana marsa ho avy izao. Araka ny siosion-dresaka mandeha sy ny filazan’ny loharanom-baovao iray […]
Taratra
Volley-« CAVB Zone 7 »: Ekipa 4 hihazo an’i Seychelles
Hotanterahina any Seychelles, ny 27 febroary hatramin’ny 7 marsa izao, ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka, aty amin’ny faritra faha-7, eo anivon’ny CAVB, taranja volley-ball. Tsy ho diso anjara amin’izany i Madagasikara fa hanana solontena. Ahitana ekipa 4 (2 lahy sy 2 vavy) izy ireo. Ny GNVB, lahy sy vavy, […]
Lion’s Club : Fampisehoana hanampiana traboina
Mikarakara alim-pandihizana sy kaonseritra etsy amin’ny Café de la gare Soarano, androany sy rahampitso, ny ONG Lion’s Club Antananarivo Miranandro. Hanafana ny lanonana, mandritra izany, ny mpanakanto maro. Ahitana an-dry Jean aimé, Do Rajohnson, Lôla, Njara Marcel, sy ny maro hafa. Manomboka amin’ny 8 ora alina, mandra-maraina ny fotoana amin’ireo […]
Hosodoko: “Tsiaro ny lasa”, hitarafana ny 40 taona mahery…
44 taona lasa ny marina kokoa, satria efa tamin’ny taona 1982 izy ireo no niara-dalana. Mpianatr’i Hans Ranaivoson avokoa, teo amin’ny sehatry ny hosodoko ry Georges Rakotomanana, William Randriamanana, Rafalimanana, Rakotomalala Joe ary Miraniaina Randriamalala. Tafaraka indray izy ireo ankehitriny, ka hiara-hanatontosa fampirantiana “Tsiaro ny lasa”. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, […]
Mbola manaiky lesoka hatrany : Ny kolontsaina tsy misy avo sy iva
Niverina indray ilay fomba fijery napetraky ny mpanjanaka. Rehefa any ivelany na avy any ivelany, tsara. Ny eto an-toerana, tsy mahomby loatra. Any amin-javatra hafa ivelan’ny kolontsaina mety hitombina izany… Ny kolontsaina, zavakanto, soatoavina, fomba amam-panao, sns. Tsy mba azo refesina ka hametrahana venty tahaka ny lanja, habe, velarana, halavirana… […]





