Notanterahina teny amin’ny Artec Andohatapenaka, tao anatin’ny roa andro, ny atrikasa ho fiarovana ireo sahy mitoroka. Nivoitra tamin’izany fa fanavaozana iray afaka manova ny fiainan’ny Malagasy izany. Nisongadina koa fa fiarovana ny tombontsoa iombonana ny fiarovana ireo sahy mitoroka. Mifanindran-dalana amin’ny fankatoavan’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny « Convention des […]
Taratra
Manonga i Madagasikara
Izao farany herinandro izao no mamita iraka any Frantsa ny delegasionina malagasy, tarihin’ny filohan’ny fanavaozana Randrianirina Michaël. Mazava ho azy fa dinikasa mahakasika ny fiaraha-miasa amin’ny tany roa tonta ny anton-dia. Ny frantsay rahateo aloha raha ny tantara no reny malala. Tsy mbola tapaka tsara ny tadimpoitra. Tsy mbola […]
Fitsidihan’ny filoham-panjakana tany Rosia: Hampiasa Drone amin’ny sehatra maro ny fanjakana
Nitohy amin’ny fitsidihana toerana samihafa tao Moscou, Renivohitr’i Rosia ny dian’ny delegasionina, tarihin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël any amin’ity firenena ity. Anisan’ny notsidihin’izy ireo, omaly, tamin’izany ny ivon-toeram-pamokarana sy fikarohana momba ny “Drone” tao amin’ny “Unmanned Aerial World – UAW”. Nasehon’ny Rosianina koa ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ity ivontoerana ity amin’ny […]
TSELATRA
Fatin-dehilahy iray hitan’ny fokonolona tao anaty rano tao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga, omaly maraina. Ahin’ireo mpiasa ao an-toerana ho mamo io lehilahy io ka latsaka tampoka tao anatin’ny rano ary nitarika tamin’ny fahamoizany aina. Nirefotra tampoka ny fitaovana mpamokatra herinaratra « groupe » ka nahamay ny trano iray tao amin’ny Valpinson, kaominina Toamasina, […]
Tanjombato : Lehilahy tratra teo am-pamakiana trano
Tra-tehaky ny polisy teo am-pamakiana tranon’olona iray, tetsy Malaza Tanjombato, ny lehilahy iray, 30 taona, omaly tamin’ny 2 ora maraina. Nihanika tambohon’olona io olon-dratsy io. Nahatsikaritra izany ireo polisy nanao fisafoana amin’ny alina sy efa nametraka paikady ka nanenjika sy nisambotra azy. Nandositra avy hatrany anefa ity farany vao nahatazana […]





